Socio-eco

MPINO SILAMO: 30 isan-jaton’ny vahoaka malagasy


Niavaka ny fanamarihana ny famaranana ny volana masina Ramadany  (Aïd El-Fitr), taona 2019, ho an’ny fikambanana ara-pinoana  CMSM (Communauté Musulmane Sunnite de Madagascar). Nanatanteraka diabe ireo mpino silamo ny marainan’ny 5 jona 2019. “Isaorana ny fitondram-panjakana fa natao andro tsy fiasana nefa handraisan-karama ity fety ity ka nahafahanay nangataka fahazoan-dalana  tany amin’ny prefektiora hanao carnaval”, hoy ny filohan’ny CMSM, HARONA Moussa. Mialoha ny hahataperan’ny  volana Ramadany dia manome vary telo kilao isam-batan’olona ny mpino silamo mba hiantohana fa tsy misy olona noana amin’izao fety izao. Natao ho an’ny mino silamo  sy ireo olona sahirana ireo vary voaangona. Araka ny fanazavany  hatrany dia fotoana iray hampihaonana ny mpino silamo rehetra ity. Taorian’ny diabe dia nifamamgy ireo samy mpino silamo ka lohalaharana amin’izany ny famangiana ny ray aman-dreny. “Ezahina ihany koa ny hampitambarana ny mpifanolobodi-rindrina , na mpino silamo na tsia satria fampianaran’i Mpaminany ny tokony ho jerena akaiky ny mpifanolobodirindrina amin’ny fotoana tahaka izao”.

Raha ny fantatra dia fikambanana ara-pinoana ny CMSM.  Nambaran’ny filohany fikambanana fa mpino silamo “Sunnite”, ilay tena nanaraka ny mpaminany no mampivaka azy amin’ny mpino silamo hafa. Manao asa sosialy miezaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena  na fifandraisana  amin’ny any ivelany na ato anatiny fa indrindra amin’ny lafiny fanabeazana ny fikambanana. Amin’izao fotoana izao dia mibahan-toerana ao anatin’ny asa ataon’ny CMSM ny fanisàna  ny vahoaka mpino silamo izay tsy mbola nataon’ny fitondram-panjakana. Ho ezahina vitaina alohan’ny 2020 io fanisàna. Eo anelanelan’ny 25 % sy 30 % ny vahoaka Malagasy ny mpino silamo eto Madagasikara, araka ny loharanom-baovao nomen’i HARONA Moussa.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *