Socio-eco

MOZEA: Hampiofanina momba ny RE-ORG ireo mpitahiry vakoka


Haipaika manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny fiofanana RE-ORG (Réorganisation des réserves au sein des musées). Efa betsaka ireo mozea tamin’ny firenena maro  no efa nampiasa azy ity ho fandaminana ireo vakoka sy ny fomba fitehirizana azy. Mpitahiry vakoka 26 avy amin’ny mozea 12, mpikambana ao amin’ny ICOM (Comité National Malgache pour le Conseil International des Musées) no hahazo fiofanana momba ny RE-ORG. Mpampiofana matihanina avy amin’ny ICCROM (Centre International d’Etudes pour la Conservation et la Restauration des biens culturels), manana traikefa momba an’i Madagasikara, Gaël de Guichen sy Baba Keita ary mpampiofana Malagasy  miisa dimy avy amin’ny ICOM Madagasikara no hampiofana azy ireo ny 11 ka hatramin’ny 21 jona 2019, eny amin’ny Lapan’Andafiavaratra.

Miara-misalahy amin’ny fanatontosana ity fampiofanana ity ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina, ny  biraom-paritry ny UNESCO Afrika Atsinanana, ny ICOM  sary ny ICCROM.  Tohiny ny tetikasa novatsian’ny fanjakana japoney tamin’ny 2015 ho fanarenana ireo vakoka sisa tsy may tao amin’ny Rova Antananarivo, nafindra tao amin’ny Lapan’Andafiavaratra ity fampiofanana ity araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana manokana momba ny mozea sady filohan’ny ICOM Madagasikara, Rasoarifetra Bako.  Ho fanatsarana ny fomba fitehirizana sy ny fanomezan-danja ireo vakoka tao amin’ny Lapan’i Manjakamiadana nafindra tao amin’ny Lapan’Andafiavaratra,  fanamafisana ny fampiasana antontan-kevitra mirakitra ny vakoka,  fanamafisana ny fahaiza-manao ny mpitahiry vakoka sy fandaminana ny mozea no tanjon’ny fiofanana.  Manana vakoka 1400 ny Lapan’Andafiavaratra ka ny 20 % amin’ireo dia vakoka voavotra tamin’ny fahamaizan’ny Rovan’Antananarivo, ny taona 1995. Vinavinaina hisokatra ho an’ny daholobe ny mozea ao amin’ny Lapan’Andafiavaratra ny  volana novambra 2019, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny kolontsaina, Razafiarison Francis.

Lynda A.

 

 

 

 

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *