Socio-eco

MODUS MODE : Ho maimaim-poana ny fampianarana eo amin’ny sehatry ny lamaody


 “Ahoana ny fomba hanaovana lamaody? ”. Io no dikan’ny Modus Mode, festival karakarain’ny agence Totem. Ny 02 ka hatramin’ny 07 desambra 2019 ho avy izao eny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) no hanatanterahina izany. Araka ny fanazavan’ny tale mpamorona ny Modus Mode, Randrianjatovo Faly, nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety androany 28 novambra 2019 fa izay rehetra atao amin’ny Modus Mode dia tsy andoavam-bola afa-tsy ny “soirée de Gala”.

Isan’andro dia hisy ny fampianarana ny asa rehetra momba ny lamaody toy ny stylisme, mannequin, relooking, sary sy ny maro hafa. Ho fandaminana dia ilaina ny misoratra anarana mialoha eny amin’ny AFT Andavamamba. Hita eny an-toerana ihany koa ny fandaharam-potoana momba ireo fampianarana. Nambaran’ny mpikarakara fa  ny 06 desambra  2019 ny “soirée de Gala” ka amin’io fotoana no hampisehoan’ireo styliste ny sangan’asany. Ny ampitson’io dia afaka miverina ireo hividy na mila fanazavana fanampiny momba ireo akanjo natao fampisehoana.  Ankoatra izany dia hampiranty ny sangan’asany ireo malagasy matihanina amin’ny sehatry ny lamaody mandritra io herinandro io. Raha ny fantatra dia styliste 20 eo no handray anjara mandritra ny festival. Mampiavaka ity andiany fahatelo ity ny fifaninanana ho an’ny styliste, “prix modus mode”.

“Tanjona ny ahitana ny lamaody malagasy manerana an’izao tontolo izao satria manan-talenta amin’ny lamaody isika”, hoy Randrianjatovo Faly. Anisany nanaovana ity festival ity ihany koa ny fanomanana ireo olona miasa ao anatin’ny lamaody mba haharaka ny fepetra, ny fenitra, ny fomba fanaovana azy. Aorian’ny hetsika dia mbola vonona ny hanampy ireo mangataka fanampiana na fampianarana ny mpikarakara.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *