Socio-eco

MINISTERAN’NY SERASERA: “Atao izay hahakivy ny mpanao gaboraraka”


Distrika maro toy an’Antananarivo, Ambanja, Antsohihy, Farafagana, Marolambo, Ambovombe no nahitàna haino vaky jery ary fahitalavitra nomerika nisokatra tampoka tao anatin’ny herinandro vitsivitsy izay, araka ny fanadihadiana nataon’ny foibe fandrindrana ny orinasan-tserasera (DRM). Nanao fanambarana ny teo anivon’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina androany 19 septambra 2019 manoloana izany satria tsy manaraka akory ireo dingana tokony ho arahina amin’ny fananganana orinasan-tserasera izay voafaritra ao amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery  ary ny bokin’andraikitra ireo orinasan-tserasera ireo. Nambaran’ny talen’ny DRM, Ramarolahy Safidy fa folo eo ireo haino vaky jery  fantatra fa tsy mazava sy tsy nampahafantarina teo anivon’ny DRM akory ny fisiany ka onjam-peo ny ankamaroan’izy ireo. Noho izany, manasa azy ireo ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina mba hampiato izany avy hatrany ary tsy misy hatak’andro ny asany fa raha tsy izay dia ho raisin any fepetra mifandraika amin’izany.

Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny serasera, Fanahimanana Hubert  Tiaray fa naato ny fanomezana fahazoan-dalana manokatra na manitatra haino vaky jery mandra-pahalàny ny volavolan-dalàna nasiam-panitsiana mifehy ny serasera eny amin’ny Antenimierampirenena. “Faniriana mba ho voadinika amin’ny volana oktobra io volavolan-dalàna nasiam-panitsiana io”, hoy izy. Tsiahivina fa efa fotoana lavalava no tsy nisy intsony ny fanomezana fahazoan-dalana hanokatra orinasan-tserasera vaovao. Izao fanambarana izao no natao dia “atao izay hahakivy ny mpanao gaboraraka”, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny serasera.

Lynda A/ Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *