Socio-eco

MADAGASCAR FASHION WEEK OCÉAN INDIEN: Ho any Paris ny mpilatro mendrika indrindra


In-droa isan-taona ny “Madagascar fashion week Océan Indien”. Tonga indray ity ny andiany faharoa ho amin’ity taona 2018 ity. Ireo akanjo sy kojakoja ilaina amin’ny vanim-potoana mafana no hampirantiana mandritra “Madagascar fashion week Océan Indien” (MFWOI). Any Sainte-Marie no hanatanterahana izany ny 26 ka hatramin’ny 30 desambra 2018. Araka ny fanazavan’ny filoha mpanorina ny fikambanana Jeunes volontaires sady mpikarakara ny MFWOI, Alexandre Rakotoson fa mandray anjara amin’io andiany manaraka io ireo mpamorona nampiranty  ny asa tanany tamin’ny MFWOI andiany faha-4. 32 eo ny fitambaran’ny mpandray anjara miampy ireo mpamorona avy any Sainte-Marie izay ahitana fikambanan’ny vehivavy sy zanaka avy any an-toerana.

Hisongadina mandritra ny herinandro ireo vokatra momba ny lamaody mampiavaka ny nosy Sainte-Marie. Ankoatra ny varotra fampirantiana, misy ihany koa ny atrikasa hanampiana ny mpanao asa tanana, ny mpamorona amin’ny fitadiavana famatsiam-bola, ny fitantanana orinasa. “Tahaka ny orinasa ny asa famoronana ka mila miditra amin’ny ara-dalàna mba hanamoràna ny fitadiavana lalam-barotra indrindra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena”, hoy i Alexandre Rakotoson.  Anisany manosika tanora handraharaha amin’ny sehatry ny lamaody ihany koa ny MFWOI. Ohatra amin’izany ny fitadiavana mpilatro hisolo tena an’i Madagasikara. Noho izany, hanomboka hitety faritra ny ekipan’ny MFWOI amin’ny fisafidianana izay ho “brand ambassador 2019-2020”. Hanomboka amin’ny herinandro ambony izany  ka any Toamasina no ho tetezina voalohany ary ho faranana eto Antananarivo. “Izay mpilatro voasafidy dia hilatro mandritra ny Paris fashion week amin’ny jona 2019”. Asa iray vaovao ny filatroana ary anisany be mpitady ny mpilatro Malagasy noho ny volon-koditra hananantsika.

Lynda A.


One comment on “MADAGASCAR FASHION WEEK OCÉAN INDIEN: Ho any Paris ny mpilatro mendrika indrindra

  1. Pingback: MADAGASCAR FASHION WEEK OCÉAN INDIEN: Ho any Paris ny mpilatro mendrika indrindra - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *