Socio-eco

MADA JEUNE : Fantaro ireo lalam-piofanana vaovao


Ho an’ireo mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea, hisy ny toerana manokana hampahafantarana ireo ivom-pampianarana sy lalam-piofanana vaovao mandritra ny « salon des études supérieurs ». Hanomboka rahampitso 15 Novambra 2018 ary hifarana ny Zoma 16 Novambra 2018 ny hetsika. Toy ny mahazatra, eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina  no hanatanterahana ity andiany faha-15 ity. Oniversite sy ivon-toeram-pampianarana tsy miankina  miisa 60 no handray anjara amin’ny « salon des études supérieurs » izay karakarain’ny Mada Jeune. 1000 Ariary ny vidim-pidirana.

Mahasoa

Hanoro làlana ireo mpianatra vao afaka BAC na ireo mbola  te hanohy ny fianarany eny amin’ny ambaratonga ambony ireto mpandray anjara ireto. Ankoatra ny fampahafantarana ireo lalam-piofanana an-jatony, hanome fanampim-panazavana ny asa mifandraika amin’izany ny mpandray anjara tsirairay. Ho avy eny an-toerana ihany koa ireo tale na tomponandraikitry ny fampianarana hitafa mivantana amin’ny mpitsidika momba ny antontam-taratasy ilaina, ny saram-pianarana, fitadiavana “stage”… Araraoty ny fahazoana antontam-baovao momba ny lalam-piofanana rehetra mba tsy ho diso safidy. Voarakitra ao anatin’ny boky ihany koa ny mombamomba ireo oniversite sy ivon-toeram-pampiofanana tsy miankina ary ny lalam-piofanana azo rantovina ao amin’izy ireo. Hivoaka amin’io fotoana io ny boky toro-làlana « guide Mada Jeune » andiany faha-15. Amidy 3000 Ariary izany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *