politique

KAOMININA IVATO: Ho tohizana ny fanomezana “fahazoan-dalana manorina” faobe


Hijanona hatreo ny resaka politika fa asam-pampandrosoana ny kaominina no imasoana. Nandray ny asany amin’ny maha ben’ny tanàna azy indray Randrianarisoa Penjy taorian’ny fifamindran-draharaha  teo aminy sy ny ben’ny tanana mpisolo toerana  izay notanterahina ny 17 janoary 2020 teny amin’ny kaominina Ivato. Nambaran’ny ben’ny tanàna Randrianarisoa Penjy fa ho tohizana ny asa vita nandritra ny efa-taona voalohany nitantanan’ny kaominina ary “ho atao tsaratsara kokoa izany”. “Mbola be dia be ireo tsy vita, mbola misy ny ezaka tsy maintsy ho atao  ao anatin’ny efa-taona manaraka. Ho atao laharam-pamehana ny asa fanadiovana, ny fandriam-pahalemana, ny fanamboaran-dalàna”, hoy izy.  Ankoatra izany dia nilaza ny ben’ny tanàna fa tsy maintsy ho tohizana ny fanomezana fahazoan-dalana manorina faobe na iza tezitra na iza tsy faly. Tsy misy vola aloa amin’izany ho fitsinjovana ny vahoaka . “Ireo trano efa niorina nandritra ny taona maro no tsy maintsy ampidirina ao anatin’ny valan’ny ara-dalàna, tsy maha tafiditra jiro ny tompon’izy ireny raha tsy misy permis. Rehefa tafapetraka ara-dalàna  izy ireo dia mandoa hetra, vola ho an’ny kaominina izany”.

“Ivato mamirapiratra”. Io no vina ho entin’ity ben’ny tanàna ity. Ho fanatanterahana izany dia nilaza izy ho atao mangarahara tanteraka ny fitantanana ny kaominina . “Ny tanjonay dia entina am-pahendrena, am-pahamarinana ary ao anatin’ny hakingana no hanaovana asa rehetra”. Nomarihiny fa  na dia voafidy tamin’ny alalan’ny antoko TIM (Tiako I Madagasikara) aza ny tenany dia tsy maintsy misy ny fiarahamiasa amin’ny fanjakana. “Tsy misy kaominina mahavita tena, fitondram-panjakana tsy fahavaloko, tsy fahavalom-pirenena, ray aman-drenin’ny firenena ireo tsy maintsy manaja azy. Hijanona hatreo ny resaka politika fa asam-bahoaka no atao ary tsy maintsy tanterahana ny fampandrosoana nampanantenaina ny vahoaka”. Nanafatra  sahady ireo vonona hiara-hiasa aminy Randrianarisoa Penjy fa tsy maintsy manaja fotoana sy manaraka ny toromarika ho fampandrosoana haingana ny tanàna.  “Tsy maintsy madio ny tanànan’Ivato ao anatin’ny fotoana fohy, harenina ny fahapotehan’ ny lalana maro samihafa. Aoka ny avonavona sy fitiavan-tena fa tsy handefitra na amin’iza na amin’iza aho”, hoy hatrany izy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *