Socio-eco

KAOMININA AMPITATAFIKA SY ALAKAMISY: Nanaovana fanadihadiana momba ny fangaraharan’ny fitantanana


Mamporisika ny mponina handray andraikitra. Nampahafantarina androany 22 novambra 2019 teny amin’ny efitrano malalaky ny kaominina Ampitatafika ny valin’ny fanadihadiana momba ny fangaharahan’ny fitantanana eny anivon’ny kaominina Ampitatafika sy Alakamisy Fenoarivo. Ao anatin’ny tetikasa FIAM (Fivoarana ifotony ao anatin’ny mangarahara), vatsian’ny vondrona eraopeanina sy iarahan’ny iarahan’ny kaominina roa tonta ary ny fiarahamonimpirenena MSIS Tatao manatanteraka ity fanadihadiana ity. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny tetikasa FIAM, Nirina Halisoa Doris fa talohan’ny fanadihadiana dia nisy ny fampiofanana ireo fiarahamonimpirenena teny ifotony izay nahitana fikambanana roa avy isaky ny kaominina ary izy ireo ihany no nanao ny fanadihadiana teny amin’ny kaominina avy eo.

Tamin’ny alalan’ireo fanontaniana 84 napetraka no nahafahana namoaka ny tahan’ny fangaraharan’ny fitantanam-bola (Indice de transparence budgétaire/ITB)  ho an’ireo kaominina roa ireo. Raha ny fampiasam-bola 2018 no jerena dia 64, 46% ny ITB an’Ampitatafika ary 70, 62 % kosa ny an’Alakamisy. Nambaran-dRamatoa Nirina Halisoa Doris fa roa taona ny faharetan’ny tetikasa FIAM ka zava-kendrena ny hahatratra 70 % ny ITB ho an’ny kaominina tsirairay avy. Ny Alakamisy izao efa nihoatra tamin’ny tanjona izay nokendrena hoy izy kanefa na izany aza dia mila fahamalinana ny sehatry ny fangaraharan’ny fitantanana. Ho an’ny kaominina Ampitatafika indray dia hita fa tsy lavitra fa mbola misy ezaka kely tsy maintsy tratrarina.

Raha ny fanazavany hatrany dia ny fandraisan’anjara teny anivon’ny kaominina teo amin’ny fampahafantarana ny mpiasan’ny kaominina ny tetibola ampiasaina sy ny teny anivon’ny vahoaka amin’ny alalan’ny tamberinandraikitra no nahatonga ny fangaraharan’ny fitantanana. “Izay no hanentanana ny mponina handray andraikitra, hiseho ho tompony tanteraka amin’ny fampiasam-bolan’ny kaominina, hijery hoe: manahoana ny tetibolan’ny kaominina, ny ampiasaina azy, ny vokatra azo avy aminy”, hoy hatrany izy namarana ny anterivava natao azy.

 Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *