Socio-eco

KAOMININA AMBANIVOHITRA MAHEREZA : Hisitraka famatsian-jiro.


Kaominina ambanivohitra mbola lavitry ny herinaratra i Mahereza, Distrikan’Ambohidratrimo. Miaina ao anatin’ny aizina ny mponina. Velom-panantenana izy ireo ankehitriny, hisitraka herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina. Noho ny fiarahamiasan’ny orinasa mpamokatra fitaovana ilaina amin’ny herinaratra  Schneider Electric  sy ny  orinasa mpamatsy fitaovana mpamokatra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ML Stone, hahazo famatsian-jiro amin’ny alalan’ny angovo maitso ireo kaominina ambanivohitra 22. Ao anatin’izany ny kaominina Mahereza.

 Araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana ny kaominina, Johny RAKOTOARISOA  fa tetikasa andrana izy ity. Manana vina hanitatra izany amin’ny kaominina hafa ny Schneider Electric   sy ny ML Stone. Ireo kaominina mbola miaina ao anatin’ny fahamaizinana  no ireto voafidy ireto.  « Sambany tamin’ny kaominina ny fahazoany  fahazavana. Hihena amin’izay ny tsy fandriam-pahalemana noho ity tetikasa ity », hoy ny Ben’ny tanana ny kaominina Beratsimanina, distrika Maevatanana, Norbert RAJOELISON.

Nivory teny Alarobia Ivandry ireo Ben’ny tanana misolo tena ny faritra 22 izay  hisantarana ny tetikasa ny kaominina tantanin’izy ireo.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *