politique

KANDIDA RANDRIAMASINORO TAHIRY NY RINA: Hanohy ny fitakiana ny marina eny amin’ny Magro Behoririka


Tombony ho an’ny fitondrana ny fivoahan’ny marina. Ho tohiny ny fitoriana nataon’ny kandida ho ben’ny tanàna an’Antananarivo Renivohitra, Randriamasinoro  Tahiry Ny Rina teny amin’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana dia ho eny amin’ny Magro Behoririka indray ny tenany sy ireo mpiara-dia aminy miaraka amin’ireo vahoaka mandala ny fahamarinana no  hanohy ny fitakiana ny marina. Ny sabotsy 04 janoary 2020 no hanatanterahina izany amin’ny 11 ora maraina. Araka ny fanazavan’ny solombavambahoakan’i Madagasikara, Fidèle Razara Pierre fa sabotsy mialohan’ny  famoahana ny voka-pifidianana  rahampitso ka fotoana hihaonana amin’ireo Malagasy miady ho an’ny fahamarinana sy ny mivoy izany soatoavina izany. Nambarany fa tokony amin’ny herinandro ho avy izao no hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny vali-pifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina ny tanàna. “Antsoina  ny olona rehetra vonona hiady amin’ny fahamarinana ary mbola manohy ny antso: aleo ny marina hivoaka”, hoy ny solombavambahoaka Fidèle Razara Pierre. Nilaza ihany koa izy fa mbola tsy mahita na dia kely monja aza fa mirona any amin’ny fitadiavana ny fahamarinana ny fitondrana na dia efa nanao fitarainana sy nitondra porofo aza ny kandida ben’ny tanàna avy amin’ny TIM (Tiako I Madagasikara), Randriamasinoro  Tahiry Ny Rina fa tsy tomombana ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo.

Raha ny fanazavan-dRandriamasinoro  Tahiry Ny Rina indray dia nambarany  fa tsy mitady zavatra hafa afa-tsy ny fahamarinana, tsy mitady fanonganam-panjakana. “Porofoy  fa nandeha tamin’ny fahamarinana ny fifidianana ben’ny tanàna teo. Fa raha ny fitoriana napetraky dia betsaka ny tsy ara-dalàna tamin’iny fifidianana iny”, hoy izy. Miantso ny mponin’Antananarivo ny tenany ho avy eny  amin’ny Magro Behoririka rahampitso 04 janoary 2020 satria raha mbola tsy manjaka ny fahamarinana dia tsy hisy izany fampandrosoana izany. “Raha mivoaka ny marina dia tombony ho an’ny mpitondra izany”.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *