Socio-eco

HERINANDRON’NY HAVÀTSA: Tsiaro ho an’i ED Andriamalala


Miompana amin’ny famelomana ny asa soratr’i Emilson Daniel Andriamalala na E.D Andriamalala ny herinandron’ny Havatsa izay karakarain’ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra Malagasy ary ny HAVATSA- UPEM. Ny 22 oktobra ka hatramin’ny 27 oktobra 2018, misy ny fampirantiana ireo asa sorany eny amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Feno zato taona amin’ny 22 oktobra 2018 ny nahaterahan’ity poety sy mpanoratra ary akademisiana ity (22 oktobra 1918- 22 oktobra 2018). Lohahevitra  resahina  mandritra lanonam-panokafana amin’ny alatsinainy izao eny akademiam-pirenena malagasy Tsimbazaza ny hoe: “Emilson Daniel Andriamalala sy ny asa sorany”. Hamelabelatra momba izany ny mpampianatra-mpikaroka, Rajaonesy  Beby Vololona  sy  Randriantsimiala Nanoina.

Mpanoratra kalaza nanome aina ny asa-soratra malagasy i E.D Andriamalala. Maro ny tantara nosoratany ka anisan’izany ny « Fofombadiko ». Ankoatra  ny tantara dia nanana sangan’asa hafa ihany koa izy toy ny “Harem-pirenena  » na « Maty ve Ratsimandrava? »

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *