Socio-eco

FONDATION H SY GROUPE AXIAN : Mampiroborobo ny kanto malagasy


Mampiranty ny kanto maneho ny kolontsaina, ny tantaran’i Madagasikara ny mozea Quai Branly – Jacques Chirac ao Paris. Voalohany ity mozea frantsay lehibe indrindra ity no nanokana hetsika fampirantiana momba an’i Madagasikara. Manohana ny fampirantiana “Madagascar: arts de la grande île” ny fondation H sy ny groupe Axian. Manamafy ny fandraisana andraikitry ny groupe Axian amin’ny fampiroboroboana sy fiarovana ny vakoka malagasy ny fananganan’i Hassanein Hiridjee, CEO an’ny Axian ny fondation H. Ho fampitomboana ny asa fanohanana ny mpanakanto Malagasy eo amin’ny sehatra eto an-toerana sy ny iraisam-pirenena no antony nanangana ny fondation H. Nambaran’ny talen’ny serasera an’ny groupe Axian, Lova Hasinirina Bordes fa vonona ny hanampy ny mpanakanto mpamorona Malagasy ny fondation. Tamin’ny alalan’ity fampirantiana ity dia afaka maneho ny talentany ireo mpanakanto mpamorona ny zava-kanto ankehitriny toy an’i Zo, Temandrota, Pierrot Men.

Nanomboka ny 18 septambra 2018 ka hatramin’ny 1 janoary 2019, mirantiranty ao amin’ny mozea Quai Branly ireo asa tanana miisa 360 manamarika ny andavanandrom-piainany Malagasy, ny tantaran’i Madagasikara, ny harena voajanahary mampiavaka ny Nosy Madagasikara… tao anatin’ny taonjato folo ka hatramin’izao. Ao anatin’izany ny kojakojan-dakozia, ny lamba landy, ny lambamena, ny boky mirakitra ny sorabe, ny fitaovana fiarovan-tena toy ny moara, vakana…, ny aloalo ampiasain’ny foko Mahafaly amin’ny fandevenana, ny sarin-tany mirakitra ny vanim-potoana faha-panjaka, ireo sary maneho ny zava-boahary mampiavaka an’i Madagasikara toy ny baobab, ravinala…

Ho fampahafantarana sy ho fampiroboroboana ny kanto maneho ny kolontsaina, ny tantara, ny zava-boaary mampiavaka an’i Madagasikara ary ho fisarihana mpizahantany no tanjona amin’ity fampirantiana ity. Noho ny fiarahamiasa amin’ny orinasa “amis du musée quai branly”, nikarakara fitsidihana ny fampirantiana tamin’ny alalan’ny aterneto na « web-visite » ny Fondation H sy ny groupe Axian ny 15 oktobra 2018. Mbola hisy ny “web-visite” miisa dimy ho an’ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga faharoa sy ambaratonga ambony eto Antananarivo.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *