Socio-eco

FIVIDIANANA VOKATRA DOVE, AXE, SIGNAL: Fivahinianana any Nosy Be ny loka goavana


Manome fahafaha-po ho an’ny mpanjifany hatrany orinasa Hydis. Mpanjifa 50 isa indray  nahazo loka. Loka miisa sivy ny loka goavana ka tapakila mandeha fiaramanidina mandroso sy miverina Antananarivo- Nosy Be ny loka nomena ny voalohany. Kojakoja ilaina amin’ny andavanandro niampy  panier goodies (t-shirt, caquette, porte savon, porte clé, mini produit)  kosa no natolotry ny orinasa ho an’ireo olona valo manaraka:  “lave linge” ny faha-roa, TV Led (écran plat) ny faha-telo, Smartphone ny faha-efatra, Blender sy hachoir ny faha-dimy, sèche cheveux ny faha-enina, batteuse avec bol ny faha-fito, fer à vapeur ny faha-valo ary blender ny faha-sivy. Nozaraina panier produit  ny 10 manaraka ary  panier goodies ireo telopolo ambiny tsara vintana. Ny 8 martsa 2019 teny amin’ny teny amin’ny foiben-toeran’ny orinasa Hydis, teny Andraharo no nizarana ireo loka ireo.

Lalao “tombola” niarahan’ny Hydis sy ny Jumbo score izy ity, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ara-barotra lefitra, Tahiry Rakotonirina. Izay  rehetra nividy ny vokatra fampiasa amin’ny fidiovana sy fahadiovana tsinjarain’ny orinasa Hydis toy ny Dove, Axe, rexona, mon savon, signal… mihoatra ny 15.000 Ariary teny amin’ny jumbo score manerana an’i Madagasikara  dia nahazo “ticket tombola” iray. Nanan-kery  teo anelanelan’ny 2 janoary ka hatramin’ny 13 janoary 2019 io tolotra io. Raha ny tarehimarika voaray dia mpanjifa 1500 teo no nahazo io ticket io ka ny 1 martsa 2019 lasa teo no natao ny fisarihana. “Hirariana mba hisy  fisarihana “tombola” indray amin’ny pentekosta”, hoy ny tomponandraikitra.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *