Socio-eco

FILOHAMPIRENENA HERY RAJAONARIMAMPIANINA : 70 % sisa ny taham-pahantran’ny Malagasy


Tao anatin’ny  efa-taona nitondrana an’i Madagasikara, nambaran’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy   nandritra ny fifampiarahabana nahatratry ny taona 2018,  teny Iavoloha fa nihena 18 %  ny Malagasy miaina ao anatin’ny fahantrana. Nidina  ho 70 izany   raha 92 %  teo aloha. Iza avy ireo niala tao anatin’ny fahantrana ? Ao anatin’izany  ve ireo  mahantra teny ambany tonelina, teny amin’ny « la réunion kely  » izay   nozarain’ny Filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA fanomezana tamin’ny faran’ny taona ?

 Amin’izao an-katoky ny fifidianana Filohampirenena izao, nilaza ny Filohampirenena  fa hanomboka hijery ny olan’ny rano any Atsimo, hampiditra  jiro amin’ny  alalan’ny angovo azo havaozina,  isan-tokantrano izy.

Omby elektronika

Mirongatra hatrany ny halatra omby eto Madagasikara. Vahaolana hitan’ny Filohampirenena Malagasy  ny fametahana  « puce électronique  » ny omby mba hanaraha-maso azy. « Hatomboka ihany koa izany », hoy izy.

Teny filamatra  an’ny fitondram-panjakana amin’ity taona 2018 ity ny fitohizan’ny fisandratana.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *