Socio-eco

FILOHA HERY RAJAONARIMAMPIANINA: “Fanitsiana no atao fa tsy fanovana lalam-panorenana”.


Mpanao gazety avy amin’ny haino aman-jery sy gazety ary mpikirakira aterneto avy eto Antananarivo sy avy any amin’ny faritra manodidina zato no niaraka nitafa tamin’ny Filoham-pirenena Malagasy, Hery RAJAONARIMAMPIANINA ny 16 septambra 2017, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Saika voasolo tena avokoa na orinasa an-gazety mpanohana na mpanohitra ny fitondrana nandritra ny fihaonana mivantana tamin’ny Filohan’ny Repoblika ity.
Nomena sehatra malalaka ireo mpanao gazety nametraka ireo fanontaniana manitikitika ny vahoaka. Anisany fanontaniana novalian’ny Filoham-pirenena ny fanovana ny lalam-panorenana. Nambarany fa tsy fanovana no atao fa fanitsiana. Anisany antony hanaovana ny fitsapam-kevi-bahoaka ny fanitsiana ny lalana momba ny fifidianana. Ohatra amin’izany ny andinindin-dalana faha 47 ao amin’ny lalam-panorenana milaza ny fe-potoana hanaovana ny fifidianana Filoham-pirenena mialoha ny fahataperan’ny fotoam- piasan’ny ny amperinasa. Nohamafisin’ny Filoham-pirenena fa tsy ampy ny iray volana hanaovana ny fifidianana satria tokony eritreretina foana ny fiodinana faharoa.
Novalian’ny Filoha Hery RAJAOANARIMAMPIANINA avokoa ny fanontaniana napetrak’ ireo mpanao gazety tonga niara-nisakafo maraina taminy.
Lynda A.


One comment on “FILOHA HERY RAJAONARIMAMPIANINA: “Fanitsiana no atao fa tsy fanovana lalam-panorenana”.

  1. mikas

    aona no hanatsarana ny lalam panorenana? ny eo ary tsy voahaja … vao nanomboka ny fitondrana ankehitriny dia nandika ny article 54(fametrahana PM), avy eo, article 167(hcj), koa mba manontany tena hoe aona no hanatsarana raha ny eo ary tsy voahaja

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *