Socio-eco

FIHOTSAHAN’NY RARIVATO TENY TSIMIALONJAFY: Misy hifandraisany amin’ny tafondro ve ?


Indro ny antso avo nataon’i Joe Colombine Rasambaina, mponina eny ambanin’Ampamarinana  manoloana ny fihotsahan’ny rarivato tao Tsimialonjafy, ambanin’Andohalo izay nahafaty olona 12:

“Tsetsatsétsa tsy àritra kely.. sanatria tsy mamely an’iza na iza. Izahay dia mponina efa an-jato taona maro tety Ambanin’Ampamarinana ary mahafantatra tsara ity toerana misy anay ity. Betsaka ny trano , rarivato ,totoha-bato efa nitsangana amam-taonany tsy nisy fahasimbany mihitsy… Fa mino aho fa nisy fiantraikany betsaka tamin’ ireny loza nifanesy tety aminay ireny indrindra iny tamin’ny asabotsy ny fidoboka mafy dia mafy be ny tafondro ny maraina iny. Ny tato an-trano dia nahita fa niovitrovitra be mihitsy ny tranonay izy marihiko fa tsy trano tranainy na trano gasy akory. Mino aho fa niteraka “fissures” tamin’ny ireo rarivato sy trano izany niampy ny orana nikija be ny hariva izay ni-s’infiltrer tany anatiny dia iny nirodana ho azy iny.
Mangataka ny tenako mba hasiana fiheverana ny fanapoahana tafondro amin’ny fotoana tsy maintsy hilaina an’izany. Mangataka koa ny tenako mba tsy hametrahana soratra vý intsony tahakan’ilay Antananarivo teo fa na tiana na tsy tiana misy fiantraikany ny vibration sy kapokapoka amin’ ireo vato ireo. Azo atao tsara ny manisy soratra fa hatao loko fa tsy vý hoatrany ilay teo taloha.
Tena ontsa ny fonay mpiara-monina ety nahita an’ireny loza nitarika fahafatesana ireny !
Mampahery sy mirary fiononana feno ho anareo namoy havan-tiana ary mirary fahasitranana aingana ho an’ireo maratra. Mitondra am-bavaka azy ireo.
Manantena aho fa tonga any amin’ny tompon’andraikitra ara -panjakana ity fangatahako ity. Misaotra tompoko”.

Marihina fa nandritra ny fianianan’ny filohan’ny repoblika  Andry Rajoelina  teny Mahamasina no nisy  tafondro napoaka ary teny Fort-Voyron ny toerana nanapoahana izany.

Nangonin’i Lynda A.


One comment on “FIHOTSAHAN’NY RARIVATO TENY TSIMIALONJAFY: Misy hifandraisany amin’ny tafondro ve ?

  1. Pingback: FIHOTSAHAN’NY RARIVATO TENY TSIMIALONJAFY: Misy hifandraisany amin’ny tafondro ve ? - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *