Socio-eco

FIANGONANA TA.JE.KRI: Fotoam-panafahana ny Paka.


Samy manana ny foto-kevitra tohanan’ny antokom-pivavahana manoloana ny fankalazana ny fetin’ny Paka. Misy mihitsy aza tsy mankalaza izany. Ho an’ny fiangonana TAJEKRI na Tafik’i Jesosy Kristy, andro firavoravoana ny paka satria fotoana nanavotan’i Jesosy Kristy ny zanak’olombelona ho afaka amin’ny fahotana. Noho izany, mankalaza ny Paka ity fiangonana ity izany andro nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ary velona mandrakizay.

Anterivava : Fidy BARINIAINA

Miteraka resa-be ihany koa ny fitandremana ny andro sabata. Nambaran’ny Pasitera  Fidy BARINIAINA fa tsy tokony hampisavoritaka izany fa tokony hanaja ny safidiny avy ny fiangonana tsirairay. Ho an’ny TAJEKRI izao dia ny andro alahady no natokana hiarahan’ny mpino mankany am-piangonana satria io no andro ahafahan’ny besinimaro.

Toy ny mahazatra, fitsangantsanganana ny alatsinain’ny Paka. Fiarahana midera an’Andriamanitra no ho solon’izany ho an’ny TAJEKRI.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *