Socio-eco

FESTIVAL MÈRE ET ENFANT: Hampiavaka azy ny fifaninanana ho an’ny reny sy ny ankizy


Ao anatin’ny hetsika “festival mère et enfant” andiany faharoa, ny 28 ka hatramin’ny 30 jona 2018, mikarakara fifaninanana sokajy roa ny Company Mahasoa. Ny voalohany natokana ho an’ny reny 25 ka hatramin’ny 30 taona. Ho an’ny ankizy 8 taona kosa ny sokajy faharoa. Loka isan-karazany no ho zaraina ho an’ireo mpandresy. Efa misokatra fisoratana anarana ka eny amin’ny foibem-paritry ny ministeran’ny fahasalamana Nanisana no hanaovana izany ho an’ny reny eto Antananarivo te handray anjara amin’ny fifaninanana “ambassadrice en santé”. Eny amin’ny biraon’ny televiziona Record Anosizato kosa ireo ankizy te hifaninana amin’ny sokajy “ankizy modely”. Ny 25 mey 2018 ny fara-fisoratana anarana ary 2000 ariary ny saran’izany.

Loka

Afaka mandray anjara ihany koa ireo reny manerana ny faritany enina. “Ho ambasadaorin’ny fahasalamana any amin’ny faritany misy azy ireo reny voafidy amin’ny fifaninanana”, hoy i Soafara Ramahandry, tomponandraikitra ao amin’ny Mahasoa Company. Hanampy ireo mpiantsehatra amin’ny fampiroboroboana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ireo tafita amin’ny dingana famaranana. Maso-tsivana takiana amin’ireo mpifaninana ny fahalalana ankapobeny momba ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Fepetra takiana amin’ny fifaninanana natokana ho an’ny ankizy 8 taona antsoina hoe: “ankizy modely” ny fahaizan’ny mpifaninana mifehy ny fahaiza-miaina sy fahaiza-manao. Tanjona amin’ireto fifaninanana roa ireto ny fandraisan’anjara ireo reny mpandresy amin’ny fanentanana ara-pahasalamana sy ny hamolavolana ankizy modely amin’ny fahaiza-miaina, fahaiza-manao.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *