politique

EMMONAT: Mamboly korontana ny fihantsiana


Nanao fanambarana ny EMMONAT, hivondronan’ny polisy nasionaly, tafika malagasy ary ny zandarimariam-pirenena ny 16 novambra 2018. « Fotoana saro-pady mora isehoan’ny fifanoherana, fifandrafiana amin’ny samy mpiray tanindrazana ny fifidianana ». Mampatsiahy ny EMMONAT fa tany tan-dalàna i Madagasikara ka afaka misitraka ny zony ny isam-batan’olona sy ny fahalalana fototra ny olom-pirenena rehetra fa voafaritry ny lalàna ny fampiasana izany araka ny andininy faha-7 ny lalàm-panorenana. Tsy ekena ary iharan’ny lalàna izany fihetsika manohintohina ny filaminana, ny fandriam-pahalemana ary ny firaisam-pirenena izany. Noho izany, manentana ny ankolafin-kery rehetra ny EMMONAT hitsinjo sy hitandro hatrany ny tombontsoa ambony ny firenena ka hampandefitra ny hambom-po tafahoatra mba ho antoky ny filaminana.

Tontosa soa aman-tsara ny fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana voalohany ny 07 novambra 2018 lasa teo. Nisaotra mpiray tanindrazana rehetra ny mpitandro filaminana malagasy tamin’ny fanatontosana am-pilaminana ny adidy amin’ny maha olom-pirenena, ny fiantohana ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana ary ny fahamarinan-toerana manerana ny Nosy, tao anatin’ny fanajana ny firaisam-pirenena ny fanjakana. Raha fintinina, nandray anjara ny hery rehetra miandraikitra ny filaminana, ny fandriam-pahalemana ary ny fiarovana, araka ny andininy faha-65 ny lalàm-panorenana. Manentana ny rehetra hatrany anefa ny EMMONAT hiandry am-pahatoniana ny voka-pifidianana ofisialy mifanaraka amin’ny lalàna fehizoro 2018.008 momba ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *