Socio-eco

CLUB RIVOTRA: Nanolotra seza roa natokana ho an’ny olona tra-pahasembanana.


Tovolahy iray tsy afaka mandeha, monina eny Ambohitrarahaba notoloran’ny ny fikambanan’ny mpihaino ny fandaharana “rivotra” ao amin’ny onjam-peo RDJ seza natokana ho an’ny olona tra-pahasembanana. Manodidina ny iray tapitrisa Ariary ny vidin’ity seza ity raha eny an-tsena. Tsy nahatakatra izany ny ray aman-drenin’i David RAKOTONIANA ka nobabena foana izy isaky ny handeha amin’ny toerana iray. “Hampihena ny fahasahiranan’ny tokantrano misy ahy ny fahazoako ity fitaovana ity. Misaotra ny “Club Rivotra” nanome azy ity”, hoy izy.

Noho ny fangatahana nataon’ny mpihaino iray mitovy tranga aminy, nanao antso avo tao amin’ny onjam-peo ny mpanolotra ny fandaharana. Nanolotra izay voatsirambin’ny tanany ireo malala-tanana. Tamin’ny alalan’izany niampy ny tolo-tanana nataon’ny mpikambana, afaka nanome seza roa ny fikambanana. Anisany nisitraka izany i David RAKOTONIANA.

“Tsy tapitra hatreo fa mbola hitohy ny fanasoavana ny mpiara-belona”, hoy ny Filohan’ny “Club Rivotra”, Lucien RAMAKABOANA.

Lynda A.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *