Sport

CLUB DES SUPPORTEURS DU FOOTBALL MALAGASY : Mpanohana mavitrika ny ekipam-pirenena


Vonona hanohana hatramin’ny farany ny ekipam-pirenena malagasy ny Club des supporteurs du football malagasy (CSFM). Efa nanomboka tamin’ny taona 2000 no nitsangana ara-panjakana ny Club des supporteurs du football malagasy (CSFM). Mbola Scorpion no anaran’ny ekipam-pirenena tamin’izany. Nandray anjara tao anatin’ny komity nanova ny anaran’ny ekipa ho barea ny filohan’ny CSFM. Efa nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF) ihany koa ity fikambanana mpanohana ny baolina kitra malagasy ity. « Faly izahay fa tafakatra amin’ny dingan’ny famaranana amin’ny CAN 2019 izay atao any Caméroun ny barea an’i Madagasikara. Vonona hanohana hatrany ny ekipam-pirenena izahay », hoy ny filohan’ny CSFM, Rakotondrahova Honoré.
Misy telo ny fikambanana mpanohana ny ekipam-pirenena malagasy. Nilaza ny Sekretera jeneraly, Ranaivo Louis de Gonzague nandritra valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny fikambanana ny 24 oktobra 2018 fa maniry ny hanambatra izany ho iray ny CSFM mba ho “loko iray, fihetsika iray, mpilalao faha-12”. Manao antso avo ny mpitia baolina kitra ihany koa ny fikambanana hiray hina hanohana barea an’i Madagasikara ho fiarovana ny voninahi-pirenena.
Sata mifehy ny CSFM ny fanohanana ny ekipam-pirenena sy ny ekipa malagasy mifanandrina amin’ny ekipa any ivelany. Ankoatra ny fanohanana eny an-kianja dia mandray anjara amin’ny fanohanana ara-pitaovana ihany koa ny fikambanana. Betsaka ireo asa fanohanana efa nataony toy ny fanomezana fanamiana, baolina, « argent de poche »…Araka ny tarehimarika voaray, 815 ny mpikambana manana karatra ao amin’ny CSFM.

Lynda A.


One comment on “CLUB DES SUPPORTEURS DU FOOTBALL MALAGASY : Mpanohana mavitrika ny ekipam-pirenena

  1. Pingback: CLUB DES SUPPORTEURS DU FOOTBALL MALAGASY : Mpanohana mavitrika ny ekipam-pirenena - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *