Sport

CCCOI 2018: Samy homena loka ny “arbitre” sy ny ekipa mendrika


Mampiantrano ny lalao iadiana ny tompondaka ny “handball” ho an’ny ranomasimbe Indiana (CCCOI) i Madagasikara. Hanomboka rahampitso 24 novambra 2018 tolakandro ity lalao ity. Ny sabotsy 1 desambra 2018 kosa ny lalao famaranana. Ny federasiona Malagasy ny handball sy ny fikambanana AHBOI (Association Handball Océan Indien) no mikarakara ny lalao. Tonga eto avokoa ny solontenan’ny ekipa avy amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny AHBOI afa-tsy i Comores . Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy ny handball, Fidèle Razafintsalama fa mbola voasazy i Comores noho fananany filohan’ny federasiona roa. Efa mandeha ny fandravonana io raharaha io amin’izao fotoana izao.

Handray anjara amin’ny CCCOI andiany faha-18 ny ekipa avy ao La Réunion, Mayotte, Rodrigues, Maurice, Seychelles ary i Madagasikara. Ekipa fito no mandrafitra ny sokajy zazalahy ary enina ny sokajy vehivavy. Ny COSFA sy ny Saint Michel no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny sokajy zazalahy. THBC sy Tsiky kosa ny zazavavy. Talohan’izao lalao izao, efa avy nahavita lalao iadiana ny tompondaka nasionaly avy amin’ny fireneny tsirairay avy ireto ekipa mandray anjara ireto. Nilaza ny filohan’ny AHBOI, Hairoudine Anzizi fa ho fanomezana lanja sy fanandratana ny taranja handball aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana ity lalao ara-pirahalahiana ity ka tsy ny ekipa mpandresy ihany no hotolorana amboara fa homena mari-pankasitrahana ihany koa ny “arbitre” mendrika. Nanamafy i Fidèle Razafintsalama fa tombony ho an’i Madagasikara ny fampiantranoana ny CCCOI. “25 tapitrisa ariary ny fandraisana anjaran’ny federasiona amin’ny fikarakarana ny lalao. Tsy mahefa ny sarany hitondrana ireo ekipa malagasy efatra anefa izany raha toa ka natao tany amin’ny firenena hafa ny lalao. Noho izany, mety amintsika ny fampiantranoana ny lalao eto”, hoy hatrany izy.
Lynda A.


One comment on “CCCOI 2018: Samy homena loka ny “arbitre” sy ny ekipa mendrika

  1. Pingback: CCCOI 2018: Samy homena loka ny “arbitre” sy ny ekipa mendrika - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *