Socio-eco

Boky OAY Ô ! Feno herintaona sahady


Martsa 2018 sy martsa 2019, feno herintaona sahady ny boky OAY Ô !. Vokatra malagasy natao ho an’ny daholobe izy io. Miezaka ny hametraka tantara amin’izay toerana lalovany izy ary afaka mipetraka tsara eo amin’ny seha-pifaninanana boky eto amin’ny firenena.

Sarotra ny lalana nizorana, nideza tokoa ny nohitsahin’ny tongony. Labozia iray no tsofina ankehitriny hanamarihana izany faha herintaonany izany.

boky Oay o

Mbola analiny kilaometatra maro ny lalana tsy maintsy ho teteziny manomboka izao. Hiezaka hatrany hanome ny tsara ho an’ny mpamaky izy. Sehatra iray hanomezany toerana ireo mpanakanto malagasy ihany koa ity boky ity, misy zava-mahaliana isan-karazany ao anatiny ao. Natao sahaza ho an’ny sokajin-taona ihany koa izy. Indroa isam-bolana no fotoana hifanomezan’i OAY Ô ! ireo rehetra tsy mbola mahafantatra ny fisiany. Irariana soa hatrany mba tsy ho solafaka am-pandehanana, ho tojo amin’ny tanjona iriana anie i OAY Ô ! Na izany na tsy izany dia misokatra ny fiaraha-miasa.

OAY O maitso

Misy karazany roa ny boky. Ny OAY Ô ! miloko manga dia ilay efa voazava tery aloha. Ny OAY Ô ! maitso kosa dia karazana diary. Azo raiketina ao anatiny ao avokoa na io fahatsiarovana olona iray fony fahakeliny mandrapaha dadabe na nenibe azy na io tantaran’ny jaobilina fiangonana na fikambanana na mpivady… Tsy misy afa-tsy izay zavatra tian’ny olona mamandrika azy ihany noraiketina ao mba hiavahany amin’ilay OAY Ô ! manga.

Ralantôpix


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *