politique

ANTOKO MONIMA : Voaporofo izao ny ahiahy


Raha toa ka misy ny fihodinana faharoa, miarahaba ny kandida Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana tafavoaka amin’ny fifidianana feno hosoka ny antoko Monima izay tarihin’i Monja Roindefo. Nanao fanambarana ity antoko ity manoloana toe-draharaham-pirenena ankehitriny ny 16 novambra 2018.Tsy nilatsaka sy tsy nanohana kandida amin’izao fifidianana filoham-pirenena izao ny Monima noho ny fahatsapana fa hiteraka korontana ity fifidianana ity. Voaporofo izany ankehitriny ary mipoitra tsikelikely ny tsy fahatomombanana samihafa », hoy ny Filoha nasionalin’ny Monima, Monja Roindefo.

Raha mijery ny tarehimarika momba ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy  izay 50 % ny antoko dia midika fa an-tsasaky ny tarehimarika havoaka ankehitriny no tena vato azon’ireo kandida miampy ireo fanakianana maro. Noho izany, « azo antoka fa ratsy fahalaniana na « mal élu » izay kandida mety ho lany eo. Vao maika hitombo ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika”. Manao antso avo kosa ny Monima ho an’izay ho filoham-pirenena hitondra eo mba hanatsahatra ny fanenjehana  ara-politika sy ny fanaovana ankivy ara-toekarena izay tsy mitovy hevitra sy firehana amin’ny mpitondra toy izay ampiharina amin’ny antoko sy ny filoha nasionaly ankehitriny. Ao anatin’izany ny fikitihana sy fitadiavana hanodina ny fananam-pianakavian’olona, ny fanakanana ny fankalazana ny faha-60 taona ny antoko Monima tany Antanimora- Atsimo…

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *