Socio-eco

ADY AMIN’NY FANONDRANANA OLONA: Firenena fitaratra i Madagasikara


Ho fampitoviana ny fomba fijery iadiana amin’ny fanandevozana maoderina, ny fampiasana zaza tsy ampy taona, ny asa an-terivozona eto Madagasikara ny atrikasa ho tanterahina ny 25 oktobra 2018 eny amin’ny Carlton Anosy. Handray anjara miaraka amin’ny fitondram-panjakana malagasy amin’ity atrikasa ity ny mpiara-miombona antoka iraisampirenena, ny sendikan’ny mpiasa, ny fiarahamonim-pirenena, ny fikambanan’ny mpampiasa…Tanjon’ny fivoriana ihany koa ny fijerena ny dingana efa vitan’ny governemanta malagasy toy ny fomba fiasa efa nahomby tamin’ny ady atao amin’ny fanondranana olona, ny fampiasana zaza tsy ampy taona, ny fanatanterahana paikady iraisana izay mifanaraka amin’ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD).
Firenena fitaratra amin’ny “Alliance 8.7” i Madagasikara. Nitsangana tamin’ny fomba ofisialy tany New York ny 21 septambra 2018 ity ratsa-mangaika hivondronan’ny mpiara-miombona antoka rehetra toy governemanta sy ireo sampandraharahan’ny firenena mikambana (OIT, OIM, HCDH, UNICEF), orinasa, fiarahamonim-pirenena mandray anjara amin’ny ady atao amin’ny fanandevozana maoderina, fampiasana zaza tsy ampy taona, ny asa an-terivozona ity. Fifampizarana ny antontam-baovao, ny paikady ady ho tanterahina, ny politika nahomby mba hanafainganana ny ady atao amin’ny fanondranana olona, ny fampiasana zaza tsy ampy taona no antom-pisian’ny “Alliance 8.7”. Amin’ny firenena fitaratra an’i Madagasikara dia mila manana paikady mifanaraka amin’ny ODD. Efa natsangana ny Birao nasionaly misahana ny ady amin’ny fanondranana olona (BNLTEH) ho fampiharana izany.
Fahoriana mianjady amin’ny vevihavy, ankizy, ny mpiara-monina ny fanandevozana. Raha ny tarehimarika iraisampirenena tamin’ny 2017, 152 tapitrisa ny zaza tsy ampy taona nampiasaina manerana an’izao tontolo izao ary antsasany amin’io dia eto Afrika. Olona 9.200.000 no tratry ny fanandevozana maoderina teto Afrika. Ho an’i Madagasikara indray dia zaza eo anelanelan’ny 5 ka hatramin’ny 14 taona miisa 1.207.000 tratry ny asa an-terivozona.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *