Doka

Vavaka Tompo ô ! Sitranonao ny Malagasy


Prière prononcée et rédigée par Bernard RASOLOFO,
Ingénieur industriel, Expert Judiciaire en Qualité,
Président de la CAREA (Compagnie des Arbitres Rapporteurs et Experts Agréés près les cours et tribunaux de Madagascar)

Tompo ô ! Mba jereo!

Izahay izay mitoreo,

Fa miatrika ady mafy

Ny vahoaka Malagasy.

 

Amin’ny Coronavirus,

Aretin-doza izay misy,

Mandripaka sy mahafaty,

Sitranonao ny Malagasy!

 

Mandohalika Aminao,

Miangavy ary mitalaho,

Sady miantsoantso mafy:

Sitranonao ny Malagasy!

 

Mangataka famindra-po,

Miaiky heloka tokoa,

Tsy nanao ny tsara fa ny ratsy,

Sitranonao ny Malagasy!

 

Ary mampanantena Anao,

Hiala amin’ny ratsy izay fanao,

Ary hifankatia tsy hifandrafy

Sy ho iray ny Malagasy!

 

Fantatray fa Ianao irery,

No hany manana ny hery,

Handresy ity  aretin-dratsy ,

Koa sitranonao ny Malagasy!

 

Ianao no Andriamanitray,

Aza ilaozanao izahay,

Na koa avela hangasihasy,

Fa sitranonao ny Malagasy!

 

Apetrakay Aminao,

Izao fitarainanay izao,

Tompo ô! Avia malaky,

Sitranonao ny Malagasy! Amena!

 

RASOLOFO Bernard

 


2 comments on “Vavaka Tompo ô ! Sitranonao ny Malagasy

  1. Pingback: Vavaka Tompo ô ! Sitranonao ny Malagasy - ewa.mg

  2. Ramamonjisoa

    Mitady Malagasy mivavaka amin’ny Fony izaho ary tena Malagasy tena vonona hibebaka amin’Ilay Mpahary antsika, ilay tena A/tra ny Malagasy marina fa tsy ilay an’ny vahiny. Mahita ve ianao ?

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *