Socio-eco

TRANOKALAN’NY OJM : Manampy ny rehetra ahafantatra ireo mpanao gazety eto Madagasikara


Manaraka ny fivoaran’ny teknolojia. Nampahafantarina ny 11 Febroary 2022 tetsy Anosy ny fitsanganan’ny tranokalan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) www.ojm.mg . Ankoatra ireo vaovao momba ny OJM amin’ny ankapobeny dia azon’ ny rehetra jerena ao ireo mpanao gazety eto Madagasikara. Amin’izao voalohany izao dia ireo mpanao gazety nahazo ny karatra mahamatianina miisa 1509 nokarakarain’ny « Commission Paritaire Chargée de la délivrance des cartes professionnelles des journalistes »(CPC) no hita ao. Hiampy kosa izany ho an’ny mpanao gazety izay hanatitra antontataratasy ka mahafeno ny fepetra. Efa nanomboka raha teo ny fandraisana ireo antoratasy momba izany ka hifarana ny 31 martsa 2022. Ankoatra izay, nampahafantarina ihany koa ny fahavitan’ny karatra mahamatianina ho an’ny mpanao gazety andiany voalohany ity. Mampiavaka azy ity dia ny fisian’ny QRCode  ahitana ny momban’ny tompony ary ahitana ny rohy misy azy ao anatin’ny tranokalan’ny OJM. Azon’ny mpanao gazety ny maka izany manomboka ny alarobia 16 febroary 2022. Ho an’ny mpanao gazety eto amin’ny faritra Analamanga dia etsy amin’ny foiben’ny OJM Ambohidahy, ao amin’ny faritra misy ny trano sary.

Ra-Nirina


2 comments on “TRANOKALAN’NY OJM : Manampy ny rehetra ahafantatra ireo mpanao gazety eto Madagasikara

  1. Marihina fa ny trano famokarana tranon-kala eto Madagasikara, izay antsoina hoe : e-fandrai, no nanome MAIMAIM-POANA sy NANANGANA IZANY MAIMAIM-POANA hoan’ny OJM an’ity Tranon-kala ity. Tena tsy voaresaka mihintsy io!!! ka dia takona R Nirina a!!

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *