politique

René Rasolofo : Ampiharo ny velirano sy dina


Mila hajoro eto Madagasikara ny fanjakana tena mamaha ny hetahetam-bahoaka raha tiana ny hisian’ny fampandrosoana, hoy ny mpikamban’ny filankevitra ambon’ny tetezamita teo aloha René Rasolofo.

Hanatanterahana izany raha ny fijerin’ity mpanao politika ity dia ny fanaganana dina fanorenana ifotony ataon’ny mpitondra amin’ny vahoaka mba tsy hisian’ny ronono an-tavy intsony. Ity dina ity no tsy maintsy hajoro haingana satria manankasina indrindra. Nopotehina anefa ny hasin’ilay teny taty aoriana satria nampiasaina teny anelakelan-trano rehetra teny.

Ny fifanarahana sy fifanekena eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra no fototra iray hampivoaka ny firenena.
Tsy mety eto amintsika intsony ity fianianana lava tsy misy fiafarany ity satria tsy maty akory ny masoandro dia efa mitsipaka ilay zavatra notenenina . Velirano sy ozona mihitsy no tokony homena ireo izay mivadika amin’ny teny nomeny. Tsy vitan’ny hoe masina ny teny fa masina ihany koa ny tany.
Raha ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny dia mihamitombo andro aman’alina ny olona mimenomenona noho ny tsy fandehanan-draharaham-pirenena, manginy fotsiny ny fitaka raha tsy hilaza afa-tsy ny tsy fahatomombanan’ny fotodrafitr’asa handraisantsika ny frakôfonia afaka iray volana.

Mbola raharaha manaraka ny arabe ity zava-misy eto amin’ny firenena ity. Manome soso-kevitra avokoa ny rehetra saingy mba misy tompon’andraikitra mihaino ve izy ireny ?

Miora Razafy


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *