Nitokona androany ny mpiasan’ny sampandraharaha misahana ny tranon’ny mpianatra eny amin’ny onivesrsite an’ Antananrivo eny Ankatso II. Anton’izao fitokonana izao ny tsy mbola nahazon’izy ireo karama roa volana ankoatran’ity volana ity. Efa nifampiresaka tamin’ny tompon’andraikitra izy ireo saingy tsy afa-po tamin’ny valiteny azo. Nanakan-dalana sy nandoro kodiarana tamin’iny lalana nihazo ny tranon’ny mpianatra teny Ankatso II iny izy ireo ary nilaza ny tsy hiverina amin’ny asany raha tsy azo io karama takiana io. Nanampy ireo mpiasa nitokona ihany koa ny mpianatra sasany mipetraka eny Ankatso II noho ny tsy fisian’ny fikarakarana amin’ny tranon’izy ireo.