Socio-eco

MORAMANGA AMBATOVY: Mora hahazoana tombony ny fiompiana trondro


Tsy dia be mpahalala loatra ny seha-pihariana fiompiana trondro tao anatin’ny taona vitsy lasa izay raha  Moramanga  sy ny manodidina no resahana. Ankehitriny, noho ny fanampiana avy amin’ny orinasa mpamokatra kôbalta sy nikela dia lasa mahasarika tantsaha maro ity seha-pihariana ity. Manoloana izany  indrindra dia nanolotra zana-trondro 1 900 mahery ho an’ny toeram-piompiana trondro 11 ny Ambatovy tamin’ny fiandohan’ny taona teo.  Tantanin’ny fikambanana tantsaha dia ny Miara Mijoro Ambonidobo, FIMIAM ary  RIAN’ALA  ny telo amin’ireo toeram-piompiana ireo, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra.

 Avy amin’ny roa amin’ireo toerana fiompiana trondro filamatra dimy, izay niara-natsangana tamin’ireo toeram-piompiana 11 tamin’ny alalan’ny fanampiana nataon’Ambatovy no nakàna ireo zana-trondro ireo. Nandray an-tanana ny fanajariana ny toerana, ny famatsiana sakafo hanombohana ny tetikasa ary ny fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro ho an’ny tantsaha ny Ambatovy nandritra ny fananganana ireo toeram-piompiana filamatra ireo, izay natokana hamokarana zana-trondro. Ireo tantsaha kosa no miandraikitra ny fampandehanana sy ny fiarovana ny toeram-piompiana.

 Ankoatra izany, mitohy  hatrany ny fanohanana ny fampiroboroboana ity seha-pihariana ity izay ataon’ny teknisiana ao Ambatovy amin’ny alalan’ny fanampiana eo amin’ny lafiny teknika omeny ny tantsaha momba  ny famokarana zana-trondro sy fiompiana trondro. Tsiahivina fa nisitraka fitsidihana ifampizarana traikefa tany Itasy, niarahana tamin’ny teknisiana avy ao amin’ny Sampandraharaham-paritry ny fambolena sy ny fiompiana  ary ny jono ireo mpamokatra zana-trondro ireo tamin’ny fanombohan’ny tetikasa. Tanjona tamin’izany ny hahazoan’izy ireo fahalalana fanampiny sy traikefa avy amin’ireo tantsaha hafa mitovy seha-pihariana aminy. Manampy ihany koa amin’ny fanamoràna ny famatsiana zana-trondro an’ireo toeram-piompiana ny Ambatovy. maro amin’ireo tantsaha any an-toerana no efa liana amin’ity seha-pihariana ity noho izy sady mora hahazoana tombony no afaka mifameno amina sehatra hafa toy ny fiompiana madinika sy fambolena legioma.

Lynda A.


2 comments on “MORAMANGA AMBATOVY: Mora hahazoana tombony ny fiompiana trondro

  1. Pingback: MORAMANGA AMBATOVY: Mora hahazoana tombony ny fiompiana trondro - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *