Evenement

Lôla 20 taona : « Tiako loatra ianao »


« Tiako loatra ianao » !  io no Fampisehoana izay hiarahana amin’ny Lola ny 01 Novambra 2021 ao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahatena Mamahasina amin’ny 3ora sy 4 minitra. Isan’ireo mpanakanto manana feo miavaka, manana tononkira mambabo ary feno angola sy miresaka fitiavana ity mpanakanto ity.
Amin’ity fankalazana ny faha 20 taonany ity dia hiavaka ny seho satria hisy ny fandraisana anjaran’ireo mpanankato manana ny lazany, isan’izany Njakatiana, Melky, Dô Rajhoson, Nate Tex, Farakely, Black Nadia, Stéphanie, ary mazava ho azy fa hisy ny fampiaraham-peo. Fampisehoana ngezabe iray, tsy mitapaka mihitsy voalohan’ny hatramin’ny  farany izy ity. Izany hoe tsy misy fakàna aina fa eo ambony sehetra hatrany ny mpananakanto, hilalao fihetsem-po maro ihany koa, raha ny fanazavan’i Jack Thierry anisan’ireo mpikarakara.

Noho ny aretina sy ny fihiboana izay niarahana  nahalala dia nahemotra tamin’ity taona ity ny fankalazana. Raha ho an’ny mpikarakara manokana dia fotoana iray nafahana naka bahana ny fihiboana ahazoana manome zavatra tsaratsara koa ny mpankafy. Ny tapakila dia efa azo jifaina nanomboka ny 14 oktobra lasa teo, ary ireo tapakila efa lafo tamin’ny taon-dasa kosa dia mbola manankery avokoa saingy misy ny fandaminana eny an-toerana amin’ny andron’ny fampisehona.

Ezahana ny hanomezana aina bebe kokoa ny tononkira, ny haingon-tsehatra, mandritra ity fampisehoana « Tiako loatra ianao ity »

Miora Razafy


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *