politique

Fitondram-panjakana : Ny fitokana ny zava-bita no mahamendy


Mifantoka amin’ny fitokanana ireo zava-bita manerana ny Nosy ny vaindohan’draharahan’ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana izao. Efa saika ho isan-kerinandro ihany koa ny fametrahana ireo olona anaty ministera sy fanalàna ireo tsy nahomby. Fotonan’izany tokoa ve  izao? Efa roa taona mahery kely tsy hifarana’ny fe-potoam-piasaàna, mbola maro ireo olona soloina satria tsy mahomby, tsy misy asa mitohy mihitsy ankehitriny (?).

Saiky hita manerana ireo ministera ny fitokonana, ny fitakiana ny tambin-karama.

Etsy andanin’izay dia miaina fahasahiranana ny  olom-pirenena, na ny ho arapaka isan’andro aza tsy misy intsony. Tao anatin’izay fitondrana nifanesy izay tokoa mba firy tamin’ireo mpitondra no niezaka ny hamorona asa ho an’ny vahoaka? Tsy vitsy ireo  miala ny tanindrazana noho ny fitadiavana.

Miasa misoloky amin’ny tambazotra an-tserasera, mamono olona, manendaka, ary mivarotra ireo fitaovana ao antokatrano mbola azo hamidy ny ankamaroan’ ny olona.

Tsy ny eto an-dRenivohitra ihany no misedra izany olana izany fa na ireo tantsaha ihany koa aza. Eo ihany ny tsy fahampian’ny sakafo fa ny fandriampahalemana izay iainana  dia tsy ahafahana manao ny asa fitadiavana. Mitaintaina andro aman’analina eo ampanaovanany fihariana, na antsaha na an-tanàna.

Miandrandra ny fanjakana amin’ny mety ho vahaolana, mba iainana araka ny tokony ho izy sy lavitry  ny tebiteby noho izany ny olompirenena.

Miora Razafy


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *