Malama anie ny lalana ho diavinao, Ka sao ianao ho potraka.Tsy hitanao tokoa va re ireto masoko mitoloko ? Mitady fitiavana be dia be mba hampitony ny foko
Nangarika fotsiny ianao, Ka nanao jadon – tongotra !
Efa ela no nihiràn’i Dama izany : » FARAKELY « izany, ary tafaraka hiaraka sy ho iray sehatra ry zareo amin’ny Zoma 03 desambra 2021 izao amin’ny Fito ora sy sasany ao amin’ny Plaza Ampefiloha, Antananarivo.
Araka ny fanazavan’ireo ao amin’ny ETO studio, mpikarakara ity fampisehoana ity, dia mikaroka ny hatrany ny tsara indrindra voarindra an-tsehatra no tena imasoan’izy ireo. Zava-dehibe tokoa ny DAMA sy FARAKELY mampiara-peo ka samy hanolotra ny tsara sy ny kanto indrindra izy ireo. Ny hoe Mampiara-peo dia zavatra tsara ampifandraisina, ary mifameno sy mifanampy eo an-tsehatra… Tantara maro loko sy fiainana an-kira no handrakotra ny fiarahana amin’io takarivan’ny Zoma io raha ny fanazavàna hatrany.
Efa ny teknolojia ateraky ny fandrosoana no ividianana ny tapakila amin’io fampisehoana io, ary raha ny fandaminana dia ho hentitra sy voalamina tsara mba ahazoan’ireo mpankafy ny lafatra indrindra. Dia andrasana izany isika rehetra mpitia sy mpanaraka an’i Dama sy farakely amin’ity indray mitoraka ity fa tsy hanam-paharoa izany fampisehoana izany amin’io Zoma 03 desambra ho avy izao io, etsy amin’ny Plaza Ampefiloha.
Miora Razafy