Catégorie Socio-eco



VISION MADAGASCAR: Mampandroso ny firenena Malagasy ny fisokafana amin’izao tontolo izao.


Araka ny fanambaran’ny Filoham-pirenena Malagasy, misokatra amin’ny firenena manerana an’izao tontolo izao i Madagasikara. Tanjona amin’izany ny fiaraha-mientana amin’ny fampandrosoana ny firenena Malagasy. Mbola nohamafisiny ny Filoha,  Hery RAJAONARIMAMPIANINA ihany izany nandritra ny lanonana fankalazana ny faha-57 ny fahaleovantena Malagasy,  natao teny Iavoloha. Continuer la lecture


ISPM: Fandrafetana sahady ny ho avin’ny mpianatra ny fikarohana.


Fomba fanao isan-taona ny varavarana misokatra ho fampahafantarana ireo voka-pikarohana nataon’ireo mpianatra ao amin’ny ivom-pampianarana ambony ISPM. Tamin’ity andiany faha-24 ity, 400 mahery ny isan’ireo fikarohana. “Hetsika iray ahafahana mampivelatra ny sain’ny mpianatra sy ny fampiharana ny fahalalana sy fahaizana azon’ireo fa indrindra hitarihana azy ireo sahady any amin’ny tontolon’ny asa ny hetsika tahaka itony”, hoy ny Talen’ny fitantanana sy ny vola, Aimée RAZAFINDRAHETY. Continuer la lecture


ISPM: Efa miasa avokoa ireo mpianatra nahazo ny Master, andiany kanto.


Efa samy misahana andraikitra amin’ny orinasa samihafa ny ankamaroan’ireo mpianatry ny ISPM, roan-jato isa nahazo ny diplaoma Master. Nisandrahaka tamin’ny lalam-piofanana dimy ambin’ny folo no « informatique et télécommunication, tourisme, agriculture et élevage droit, biothèque… » ity andiany Kanto ity. Nambaran’i Aimée RAZAFINDRAHETY, talen’ny fitantanana ny “Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar” ISPM Continuer la lecture


INTERVIEW Georges Brichler


Georges Brichler, une grande figure humanitaire connue dans la capitale malgache, visite fréquemment le pays. Son dernier passage date de mai 2017 pour fêter ses 78 printemps avec ses protégés du Foyer du Cœur. Il reviendra en décembre pour honorer de sa présence l’inauguration du nouveau bâtiment d’Ambatolampy Tsimahafotsy, ainsi que les 11 années d’existence de Foyer du Cœur. Ce Lorrain Alsacien (au gabarit rainboot) vivant dans le Midi, au Sud de la France, a accordé une interview exclusive à Délire Madagascar. Continuer la lecture


Tsiaro ho an’i Nanah : 10 MEY 2015 – 10 MEY2017


18 taona sy tapany ihany no mba niainany noho ny hetraketraky ny tany
Tsy mahakivy na mampalahelo anefa izany
Fa izy mbola miriaria sy mahita antsika eny hatrany
Ary ny fanahiny mbola miaina foana tsy misy fiafara

 

Raha tsy mino sy mivavaka aloha tsy ahatoky an’izany
Nefa raha tsy misy Andriamanitra sy ny fanahiny
Io fiainana io hanjakan’ny fahoriana sy ny tomany
Tsy hisy fanantenana fa dia hiferinaina hatrany

 

Ny porofo fa misy ny fanahy masina
Dia jereo ireny doany sy ny mpanasina
Izay manambara fa misy ny hery miafina
Ifanandrinan’ny olon-dratsy sy ny olo-marina

 

Araraoty ny fotoana iainana hanaovan-tsoa
Fa mandalo ihany izy io ary mora lo
Ny Andriamanitra mahery efa nanalalana sy nampianatra
Ny teny fiainana  ho filamatra

 

Roa taona aty aoriana

Mbola mafana ny fitadidiana

Fa na rahoviana na rahoviana

Tsy ho afaka ao am-ponay indry ry Tiana

 

Mitandrema ry tanora zandry zanaka

Fa feno jiolahy ny tanàna indrisy mibanaka

Tsy ampoizina intsony iza no namana iza no tsy namana

Samia mailo sy mitandrina eny am-pandehanana

 

Hatraka ny loha fa mbola be ny adidy

Tsy mora ny miady fa izay no safidy

Handrodanana ny geja sy mangidy

Hitandrovana ny aina sarobidy

 

Tsy maintsy mbola hihaona indray andro any

Fa fandalovana daholo ny eto ambony tany

Lasa aloha loatra indry na izany na tsy izany

Mandria ampiadanana izany zanako izany…

 

Tiana RABARISON 7 MIANAKA


Extracted from NEWSLETTER OHCHR MADAGASCAR 7th Edition – December 2016 ECHOES OF THE UN SECRETARY – GENERAL VISIT TO MADAGASCAR


On 10-11 May, the UNSG paid a 2-day visit to Madagascar. He met with the President of thr Republic, the presidents of the senate and national assembly, the diplomatic corps, the private sector, the UNCT. UN staff, and representatives of civil society organizations principally human rights NGOs. He also visited some key UN projects in the capital. Continuer la lecture


FILOHAN’NY FILAN-KEVITRA MONISIPALY-BEN’NY TANANA TOAMASINA I: Niafara hatramin’ny fifampitoriana.


“Nitady ny fomba rehetra hanagadrana ahy ny Ben’ny Tanana Elisée RATSIRAKA ary mbola mitohy izany hatramin’izao”, hoy ny Filohan’ny filan-kevitra monisipaly ao amin’ny kaominina  Toamasina, Solofo Ginah. Ankoatra ny fitoriana natao azy dia tsy manana birao ao amin’ny kaominina ny tenany amin’izao fotoana izao satria nalaina tany aminy ny lakile. Continuer la lecture