Dimy taona no nanatontosan’i Marie-Clémence Andriamonta-Paes ny horonantsary fanadihadiana “Fahavalo – Madagasikara 1947. Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
« MADAGASCAR FASHION WEEK OCÉAN INDIEN »: Hetsika ara-tsosialy ny ao ambadikany
“Izay tombony azo amin’ity “festival Madagascar fashion Week Océan Indien”, andiany faha-4 ity dia entina hiantohana ny fitaovam-pianaran’ireo ankizy any Beroroha, Toliara II, Sainte-Marie, Mananjary”, hoy ny filoha mpanorina ny hetsika, Alexandre Rakotoson. Continuer la lecture
« SALON DE LA GASTRONOMIE »: Hampiofana maimaim-poana momba ny fandrahoan-tsakafo
Hetsika natao hankalazana ny sakafo sy ny manodidina azy ny « salon de la gastronomie », araka ny fanazavan’ny tale jeneraly lefitry ny « Alliance française Tananarive » (AFT), Rindra Dupré. Continuer la lecture
TSENABEN’NY VATOSOA SY NY FIRAVAKA: Hisarika ny mason’izao tontolo izao
Nanasa ireo mpandraharaha momba ny vatosoa sy firavaka avy any ivelany ny mpikarakara ny “tsenabe iraisam-pirenena momba ny vatosoa sy ny firavaka eto Madagasikara”. Continuer la lecture
SPOKEN ENGLISH COURSE: Mihena 50 % ny saram-pianarana
Manome tolotra manokana ho an’ireo mpianatra avy nanala fanadinana bakalorea tamin’ny herinandro lasa teo ny Spoken English Course. Continuer la lecture
MADAGASCAR FASHION WEEK OCÉAN INDIEN: Hampivoatra ny sehatry ny lamaody
Dimy andro be izao no atokana hampisehoana ny talentan’ireo tanora vao misandratra sy efa manana traikefa momba ny lamaody. Continuer la lecture
IPAC: Hampiseho ny fahaiza-manaony eny amin’ny IKM
Mandray anjara amin’ny festival Madagascar fashion week Océan Indien ny IPAC. Ity ivon-toerana mampiofana arak’asa momba ny taovolo sy endrika amam-bika ity no hiantoka ny fikarakarana ny taovolo Malagasy haseho mandritra ny festival. Continuer la lecture
MPANAKANTO G5: Efa mahaleotena
Miantso ireo te hiara-hiasa aminy ny mpanakanto G5 nivoaka tamin’ny alalan’ny fifaninanana an-kira nokarakarain’ny haino aman-jery tsy miankina Viva. Tovolahy dimy no mandrafitra ny G5. Continuer la lecture
ANDIANY H’AIKO: Mitovy ny tadin-dokanga
Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly 20 septambra 2018 teny amin’ny CCI Ivato ireo andiany H’aiko, mpianatry ny oniversite ISCAM. Continuer la lecture
FITAKIANA NY « ÎLES ÉPARSES »: Voarain’ny masoivoho ny taratasin-dry Mailhol
Nanatitra taratasy ofisialy fangatahana ny famerenena ny « îles éparses » amin’ny anaran’i Madagasikara teny amin’ny masoivoho frantsay eny Ambatomena ny solontenan’ny kandida Mailhol. Androany Alarobia 20 septambra 2018 tamin’ny telo ora tolakandro ny talen’ny fampielezan-kevitr’ity mpilatsaka ho fidiana filohampirenena ity , Paolo Raholinarivo niaraka tamin’ireo Malagasy mitaky ny « îles éparses » no nanatitra izany. Sady nanatitra ny taratasy no nilanja sora-baventy milaza ny fangatahana ireo nosy kely manodidina an’i Madagasikara teo ampitan’ny masoivoho frantsay izy ireo.
Ny talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida an’ny antoko GFFM (Gideo Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara) no niresaka sady nanolotra ny taratasy tamin’ny solontenan’ny ambasady teo an-tokontanin’ny biraon’ny masoivoho. Tsy tonga d nitodi-doha niverina izy ireo fa niandry ny famalian’ny ambasady fa voarainy soamantsara ny taratasy naterina. Minitra vitsy taty aoriana, nasain’ny mpanolontsainan’ny ambasadaorin’i Frantsa miasa eto Madagasikara nankany amin’ny biraony i Paolo Raholinarivo. Tsy navela nanaraka ny mpanao gazety fa nasaina nijanona teo an-tokontany. Araka ny tatitra nataon’i talen’ny fampielezan-kevitr’i Mailhol momba ny resaka nifanaovan’ny roa tonta dia ho atolotry ny mpanolontsainany amin’i ambasadaoro frantsay eto an-toerana ny taratasy fangatahan’ny kandida Mailhol rehefa tonga izy. Ity ambasadaoro ity indray no mandefa izany any amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny any Frantsa ary izy no manolotra amin’ny fomba ofisialy ny taratasy amin’ ny filohan’ny repoblika frantsay, Emmanuel Macron. Ho taterina eto ihany ny tohin’ny raharaha.
Mibodo
Ao anatin’ny vinan’ny kandida Mailhol, laharana 34 ny famerenana ny « îles éparses » izay nobodoin’ny frantsay kanefa an’ i Madagasikara araka ny fehin-kevitro roa nivoaka tamin’ny fivoriamben’ny firenena mikambana ny 12 desambra 1979 momba ny « îles éparses », ny fehin-kevitra laharana 1514 tamin’ny 14 desambra 1960 momba ny fialana amin’ny fanjanahana sy ny fanomezana ny fahaleovantena an’ireo firenena voazanaka…Nohamafisin’i Paolo Raholinarivo fa manamarina fa an’i Madagasikara ny « îles éparses » raha ny fifanarahan’ny firenena mikambana momba ny zo amin’ny ranomasina tamin’ny 16 novambra 1973 sy ny fifanarahana “Montego Bay” tamin’ny 1980 momba ny zo amin’ny ranomasina sy faritra ara-toe-karena manokana izay neken’i LaFrantsa ny taona 1996 no jerena. Nilaza izy fa ao anatin’ny fifanarahana “ Montego Bay” dia mbola ao anatin’ny fari-dranomasin’ny firenena iray ny 200 miles miala amin’ny sisin-taniny. Noho izany, mbola an’i Madagasikara ny « îles éparses » satria 100 miles miala amin’ny sisin-taniny. 5281, 65 miles na 8500 km miala amin’ny sisin-taniny Lafrantsa kosa no misy ireo nosy kely ireo.
Lynda A.