Catégorie politique



LETTRE OUVERTE A MONSIEUR LE PRESIDENT DE LA REPUBLIQUE


Monsieur le Président,
Les chiffres ne cessent de nous rappeler que 92% des Malgaches vivent en dessous
du seuil de pauvreté et votre gouvernement a établi comme priorité la lutte contre la pauvreté. Nous
pensons qu’il est impératif et juste que les autorités montrent l’exemple en faisant preuve, d’une part,
d’austérité et d’autre part de bonne gouvernance en matière de gestion des finances publiques.

Continuer la lecture


PAOLO EMILIO RAHOLINARIVO, « Misy namana miteny amin’ny teny tsy fantatra any amin’ny AFO Syndicale. »


Manana ny hasiny sy ny toerana misy azy ny « administrateur civil » eto amin’ny firenena na teo aloha izany indrindra ankehitriny. Manamafy izany ny fitokisan’ny filohan’ny repoblika azy ireo ka nanendreny ny praminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier izay « administrateur civil ». « Natao hanampy izay fanjakana misy izy ireo fa tsy natao hanongam-panjakana », hoy Paolo Emilio RAHOLINARIVO SOLONAVALONA, administrateur civil. Continuer la lecture


« HIFATRATRA ANY AMIN’NY FILOHA NY KOLIKOLY ATAON’NY MANODIDINA AZY RAHA TSY MANAFAY IZY ».


Nahomby ny famoriana ireo tomponandraikitry ny fikambanana sendikaly isan-karazany, ireo hery velona rehetra manerana Nosy, … nataon’ny AFO Syndicale. Namaly ny antso ihany koa ireo mpanao politika manohana ny fitakian’ity farany dia ny fanerena ny Filohan’ny Repoblika hanagadra sy hanafay ireo olona ambony ao amin’ny fitondrana ankehitriny. Continuer la lecture


Ban Ki-Moon : « Tongasoa lehiroa »


Nigadona teto Antananarivo io hariva io ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana, Atoa Ban Ki-Moon    mivady.    Tonga    nitsena    azy    teny    amin’ny    seranam-piaramanidina   Ivato    tamin’izany fahatongavany eto amintsika izany moa ny Filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina mivady, ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Mahafaly Solonandrasana ary ireo Minisitra mpikambana ao  amin’ny  governemanta.  Tonga  teny  an-toerana  ihany  koa  ireo  lehiben’ny  andrimpanjakana rehetra  misy  eto  amintsika.

Continuer la lecture


Changement de gouvernement : Suspense déstabilisant et lassant !


 

L’inertie  et/ou l’immobilisme patent de certains membres du gouvernement tant décriés presque au quotidien par les citoyens lambda qui se demandent  ce que fait l’Etat pour les sortir de la misère, ont été constatés et reconnus, lundi dernier, par le président Hery Rajaonarimampianina lui-même, en répondant aux questions des médias. Pourtant, le Chef de l’Etat reste encore et toujours « indécis » sur la mesure à prendre.

Continuer la lecture


Pr James RATSIMBA: “Sarimihetsika fotsiny ihany no nataon’ny loholona Lylison sy ny Jeneraly Florens”.


AUDIO : Pr James RATSIMBA

“Na ny fihetsika nataon’ny loholona Lylison René de Rolland na ny an’i Jeneraly Florens Rakotomahanina dia samy tetika maloto avokoa. Ny frantsay ihany no ao ambadik’ireny”, hoy Profesora James RATSIMBA. Nambarany fa sarimihetsika fotsiny ireny fifanandrinana ireny. Continuer la lecture


Retovo LATIMER: Ny mpanao politika no mampitarazoka ny raharaha Anjozorobe.


“Efa mizotra amin’ny fampiraharahana  ny fianakavian’i TSIMIONDRA, ilay manana zanaka maty voatifitra tao amin’ny toeram-pitrandrahana Marotsipohy Anjozorobe”, araka  ny  fanazavan’i  Retovo LATIMER, Filohan’ny Fikambanana Zanaka Androy. Raha ny  tokony ho izy dia efa ela no niravona ity disadisa ity fa  ireo mpanao politika no misavika ny raharaha mba handrodanana ny fitondrana ankehitriny.  Raha jerena mantsy ireo mpanao politika manohana ny fianakaviana dia toa avy amin’ny tetezamita avokoa. Continuer la lecture


Vie de parti : Le “Fanilo” conteste ses « leaders » !


 

 Le Conseil d’Orientation (CO) composé des grands barons du parti Leader –Fanilo a recemment annoncé par voie de presse la « suspension »  du Bureau national de coordination dont les membres ne sont autres  que les leaders du parti, à savoir le président national Jean Max Rakotomamonjy, non moins président de l’Assemblée nationale, les vice-présidents Constance Razafimily non moins député, Toto Alphonse, etc…

Continuer la lecture


FITAKIANA NY « ILES EPARSES » : Tsy navelan’ny mpitandro filaminana hanao ny hetsika


Nosakanan’ny mpitandro filaminana tsy hanao ny hetsika ireo vondron’ny mpitaky ireo nosy kely Malagasy. Tonga teny Ambohijatovo izy ireo nahitana an’i ANDRIANJAKA Rajaonah…Nandefasana vovoka mandatsa-dranomaso mihitsy. Tsy niala teny anefa izy ireo na dia nisy aza izany. Voasakatsakana ihany koa anefa ny fifamoivoizana noho ny sakana ataon’ny mpitandro filaminana ny lalana mba hanakanana azy ireo tsy ho any Analakely. Nanentana izay tia tanindrazana izy ireo ho tonga eny amin’ny foiben’ny otrikafo etsy Andravohangy rahampitso amin’ny 10 ora maraina.
Marihana fa ny filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA raha nanao ny kabariny teny Mavoloha dia niteny fa « hajaintsika ny zo haneho hevitra sy fahalalahana noho ny maha demokraty antsika. Aoka kosa tsy hisy ny fihoaram-pefy mitondra amin’ny fampiadiana amin’ny samy Malagasy, mitondra amin’ny fanelezana lainga sy tsaho mampisavorovoro ny saim-bahoaka, mitondra amin’ny fanitsakitsahana ny zony sasany ». Ka asa na inona amin’ireo no zavatra nitranga teny Ambohijatovo ny Sabotsy lasa teo? Nanaja ny zo naneho hevitra ve ny fanjakana ? tena demokraty tokoa ve ? Nisy fihoaram-pefy ve teny ka nampiady ny Malagasy ? Namafy lainga sy tsaho ve ny mpitarika ny hetsika ka nisavorovoro ny saim-bahoaka? Ny mpitandro filaminana indray aza no nanitsakitsaka ny zon’ny sasany tsy handeha malalaka fa nosakanana ny lalana. Tsy navela andeha amin’ny sisin-dalana izy ireo raha nangataka ny andeha amin’izany.
Araho ny zavatra ny tranga teny Ambohijatovo amin’ity horonan-tsary ity.
Nirina R.

VIDEO