Feno 71 taona amin’ity taona 2018 ity ny tolona nataon’ny Malagasy mahery fo tamin’ny 29 martsa 1947. Nanatrika ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana tao amin’ny Moramanga ny Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa « Vision Madagascar » na VIMA, Zouzar BOUKA. Continuer la lecture
Catégorie Non classé
Réseau National des Femmes Handicapées de Madagascar: Famelabelaran-kevitra sy asasoa
« Vehivavy manana fahasembanana manao fanomezana ho an’ny zokiolona sahirana ». Io no endrika entin’ny Réseau National des Femmes Handicapées de Madagascar, RNFH mandray anjara, toy ny fikambanam-behivavy rehetra, mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho azy ireo, sady mbola volana martsa rahateo izao. Continuer la lecture
JCI : Miteraka vokatra ny asa
Nandamina ny tetiandro sy ny tetikasa amin’ity taona 2018 ity ny fikambanana Jeune Chambre Interationale (JCI), sampana eto Madagasikara. Nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-piasan’ny JCI tamin’ny 03 febroary 2018, nandinika ny drafitra ho tanterahina ny mpikambana mba hirosoana amin’ny asa. Continuer la lecture
ZOUZAR BOUKA: “Vina 2030, manafaingana ny fampandrosoana”
Samy naneho ny heviny ny mpandraharaha ara-toekarena momba ny famelabelaran-kevitra Fisandratana “2030”, nataon’ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA, tamin’ny 25 janoary 2018. Anisany voaasa tamin’io fotoana io ny mpandraharaha Zouzar BOUKA sady Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa “Vision Madagascar (VIMA). Continuer la lecture
ASSOCIATION DEVOIR ET CITOYEN « Tsy mampandroso firenena ny orinasa afaka haba »
Mitaona ny olona ho tomponandraikitra ny « Association devoir et Citoyen » ADC. Tsy hiandry ny fitondram-panjakana na ny mpanao politika vao afaka mandray andraikitra ny olom-pirenena tsirairay avy. Continuer la lecture
FY VARY : Hampivoatra ny teknika fambolem-bary eto Madagasikara.
Nosokafana sy nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy omaly 05 Oktobra 2017 tetsy Antaninarenina ny tetikasa FY VARY « FertilitY sensing and Variety Amelioration for Rice Yield ». Hampivoatra ny teknika fambolem-bary manaraka ny toe-tany arakaraka ireo faritra eto Madagasikara no tanjona.
Faritra mpamokatra vary.
Faritra Vakinankaratra, Analamanga ary Alaotra-Mangoro no anaovana ity tetikasa FY VARY ity. Manomboka amin’ity taona 2017 ka hatramin’ny 2022 ny faharetany. Mitentina 12,7 lavitrisa Ariary ny vola ampiasaina ao anatin’ny izany dimy taona izany. Mifantoka amin’ny fampivoarana ara-teknika fambolem-bary, fampivoarana sy manatsara ny nofon-tany mba hanatsarana ny vokatra vary, fampivoarana ara-teknika ireo masom-boly mifanaraka amin’ny toe-tany anaovana ny tetikasa ary farany, fijerena sy fanaovana tombana ny vokatry ny tetikasa amin’ireo tantsaha.
Fanjakana Malagasy sy Japon.
Tetikasa iarahan’ny fanjakana Malagasy sy ny firenena Japoney ny FY VARY amin’ny fampandrosoana eo amin’ny sehatry ny fambolena. Fanamafisana sy fizarana fahaiza-manao eo amin’ireo mpianatra mpikaroka amin’ny firenena roa tonta ihany koa ny tetikasa. Noho izany, ny Ministera eo amin’ny fiadidian’ny Repoblika misahana ny Fambolena sy ny Fiompiana ( MPAE ), sy Japan International Research Institute for Agricultural Sciences ( JIRCAS ) no mandrindra ny tetikasa. Hiaraha-miasa amin’ny Office National de Nutrition ( ONN ), ny Centre National de la Recherche Appliquée au Développement Rural ( FOFIFA ), ny Laboratoire des Radioisotopes de l’Université d’Antananarivo ( LRI ), ny l’Université de Tokyo ary ny Université d’Yamanashi Eiwa.
Nirina R.
VIMA : Nanohana ny fankalazana ny faha-241 ny fahaleovantenan’i Etats-Unis.
Feno 241 taona ny nahazoan’i Amerika ny fahaleovantena omaly 4 Jolay 2017 . Nanamarika izany ny masoivoho eto Madagasikara ny 30 jona 2017, teny Ambaranjana. Anisany, nanohana ny fanatanterahana ny lanonana ny orinasa VIMA (Vision Madagascar) izay efa mpiara-miasa akaiky amin’ny Masoivoho Etats-Unis miasa eto amintsika. Continuer la lecture
ONN-BNGRC: Ho raisina an-tanana ny reny sy ny zaza.
Mifampiankina tanteraka andraikitrin’ny sampandraharaha misahana ny loza voajanahary sy ny ateraky izany na BNGRC sy ny ONN izay miandraikitra ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Continuer la lecture
HOPITAL LUTHERIEN D’AMBOHIBAO (T.P.L.A) : « Urgence médicale » un centre flambant neuf
Le Tobim-Pitsaboana Loterana Ambohibao T.P.L.A (Hôpital Luthérien d’Ambohibao) est équipé d’un nouvel espace doté de ressources humaines et de matériels réservés aux urgences. Le local est nommé « Urgence médicale/Vonjy Taitra ».
L.J.J.R (Lycée Jean-Joseph Rabearivelo) : Célébration du 80ème anniversaire
Le lycée d’Antanimalalaka (L.J.J.R) fête actuellement ses 80 printemps. Cet établissement scolaire public qui a formé bon nombre de crèmes nationales et expatriées était auparavant l’Ecole Européenne Primaire Supérieure (E.E.P.S), ensuite Collège Classique et Moderne (C.C.M) avant de devenir un lycée arborant le nom de l’illustre poète, dans les années 60 juste quelque temps après l’indépendance.