Catégorie Mahoraka



ZAVA-KANTO: FENO 55 TAONA I DADAVY


RANAIVOARIVELO Randriantsoavina David Jean no anarany, Zaza faharoa amin’ny Mpiray tampo aminy izy ary teraka tao Ambondrona ny 03 Marsa 1947. Manam-bady tokana ary niteraka zaza efatra izay efa nahazoany zafikely sivy hatreto.

OVIANA NO NANOMBOKA TEO AN-TSEHATRA  DADAVY ?

 Ny taona 1965, Raha nandalo tao Anjozorobe ny Riankira Ambohijatovo Avaratra dia nasain’ny Zokiny lahy nanao dihy misy fampiakarana tongotra any an-katoka  izy ka dia gaga sy nitehaka mafy ny Mpijery manontolo.

Ny  05 Jona 1966, dia nolokoin’ny Zokiny menamena ny orony, mangamanga ny masony, fotsifotsy  ny molony ary nampanaoviny ny akanjon’ny dadabeny ka rehefa nosesefany lamba ny kibony sy ny fitombenany dia  nandray anjara tamin’ilay fampisehoana natao tao amin’ny Sahan-dRabobalahy ao Anosipatrana izy telo mirahalahy  ka nitondra anarana hoe : Daved Randria, izay nalaina avy tamin’ny anarany  hoe : David sy ny an’ny zandriny hoe :Edmond ary ny an’ilay zokilahiny hoe : Randrianjanaka ; ka raha tsarina izany dia ity Zokilahiny atao hoe : Randrianjanaka Raymond Nestor ity no tena nahatonga azy ho mpanao HATSIKANA ary mbola nanipy azy ihany koa ho tonga teny AN-TSEHATRA. Continuer la lecture


Saika Gazety : Endriky ny asan-dRandriamalala Simon


Mpanao tantara an-tsary mpiseho an-gazety no nahalalan’ny maro an’i Simon Randriamalala. Efa an-taonany maro no nanaovany an’izany. Olona tia mandinika ny lesoka na ny tombony tsara amin’ny fiainam-piaraha-monina izy.
Saika gazety: Saka doka… Saika tsara ve? Tsia!  Zava-baovao izy ity raha ny fijerinay ato amin’ny délireMadagascar azy. Ny fampitàna ny serasera dia tsara kokoa rehefa ny tena tompony no mikirakira azy. Entintsika amin’ny fotoana manaraka ny antsipirihany fa indro aloha ny santatra fotsiny ihany. Mahaiza mankafy!1235567

 


SALFA FACE AU COVID-19 : Le SPAnta sera ratissé


Le SALFA ou Sampan’asa Loterana momba ny Fahasalamana (Organe luthérien de la santé) va bientôt boucler sa mission qui consiste à remettre des kits (savons, caches-bouche, spiruline et divers lots de médicaments…) au sein de ses agences dans toute l’île, ainsi que des toby Fifohazana ou Grands Centres de Réveil Spirituel. Pour ce faire, le SALFA a affecté les voitures 4×4 reçues des partenaires à parcourir la grande île à travers dix axes. Continuer la lecture


JIRAMA: Madio ny rano atolotra ny mpanjifa


Manoloana ny filazana an-gazety, nivoaka androany 27 febroary 2020, izay milaza fa tsy azo sotroin’ny olombelona ny rano tsinjarainy, ny JIRAMA dia manohitra izany fanakorontanana saim-bahoaka izany ary manao izao fanambarana izao :
1- Manome antoka ny rano vokariny sy tsinjarainy hoan’ny mpanjifa ny JIRAMA.
2- Misy ny fangalana santionan’ny rano amin’ny toerana maromaro isan’andro (tobim-pamokaran-drano, tambazotra mpitsinjara rano, robinets any an-tokantrano ary paompin-dranon’ny daholobe).
3- Manana laboratoara fanaovana fitiliana « physico-chimiques » ny JIRAMA ao Mandroseza ary miara-miasa akaiky amin’ny Institut Pasteur de Madagascar amin’ny fanaovana fitiliana « bactériologique ».
4- Manaraka ny ambaratongam-panadiovana takian’ny fenitra iraisam-pirenena ny rano vokarin’ny JIRAMA manerana ny nosy (décrets n°2003-941 et n°2004-635) ary manaja ireo fenitra napetraky ny OMS.
Tsara ny manamarika fa ny fangalana santionan-drano hanamarinana ny fahadiovany dia mitaky fanajana fepetra entitra ary tsy maintsy olona manam-pahaizana no manatanteraka azy, mba hisorohana ny fandotoana tsy nahy izany santionan-drano izany.
Antitranterina ny mpanjifa fa raha misy tranga fiatoan’ny famatsiana rano dia mety hiova ny endriky ny rano. Entanina ny rehetra handefa ny robinet mandritra ny minitra maromaro mialoha ny hampiasana ny rano.
Raha misy tranga mampiahiahy, ny JIRAMA dia miantso ny mpanjifa hampandre avy hatrany hahafahana manao ny fanamarinana rehetra.
Fampitam-baovaon’ny JIRAMA OFISIALY
——————————————————————————

BETAFO ANTSIRABE : Olan’ny rano fisotro madio


Tsy mety milamina araky ny nambaran-dRa-THEO (FIBEMIH), mpitarika ny fiarovana ny Zon’ny mpanjifa ao Betafo ny fomba fitantanana ny rano fisotro madio ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Betafo, satria mitongilana mankany amin’ny mpitantana ny rano fotsiny hatrany ny fiarovan’ny tompon’andraikim-panjakana ao an-toerana sy ny eo anivon’ny Sampandraharaham-paritry ny Rano Vakinankaratra ny zo sy ny tombontsoa fa tsy misy fijerevana velively ny zo sy ny tombontsoan’ny Mpanjifa!

Continuer la lecture


Dr Quanbeck mianakavy : « Miverina amin’ny taniny ny Jiosy »


Tsy Jiosy tsy akory Dokotera Stanley Dwight Quanbeck fa Amerikana fotsy fiodirana. Olo-be, raiamandreny, sady olo-malaza teo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy Dr Quanbeck. Izy no angady nananana sy vy nahitana (Pionnier) ny Sampan’Asa Loterana momba ny Fahasalamana (SALFA).

Anterivava : Dr Quanbeck

Olon-dehibe tsotra, manetritena. Tsy nofihininy ho azy samy irery ny fisalorana izany fiantsoana hoe “Pionnier” izany, fa mbola notsiahiviny ny tanan-kavanany niombon’antoka taminy tamy fanorenana sy fiterahana ny SALFA avy any an-karangana, dia Chef Andréas Richard. Hoy mantsy izy raha nandray fitenenana: “Hoatran’ny tao amin’ny Testamenta Taloha izahay sy Andréas ka izaho Mosesy, izy Arona”.

40 taona.

Hankalaza tsy ho ela ny faha-40 taona nijoroana ny SALFA. Ho fanatanterahana ny hevitry ny Komity Maharitry ny Synoda Lehibe (KMSL) tamin’ny 1979 no nanendren’ny FLM an’i Dr Quanbeck hanangana ny SALFA. Niainga tamina toerana fizaham-pahasalamana tanaty efitra roa tao amin’ny FLM 67ha ny SALFA ka ankehitriny dia nahavita an’io trano tsara bika eo Andohalo io. Manana toeram-pitsaboana sy hopitaly maro manerana ny Nosy koa ny SALFA, ary anisan’ireny ny any amy faritra Atsimo manontolo. Tsy hadinoin’i Dokotera mianakavy ny hitsidika an’i Ejeda sy Bezaha, izay nandaniany ny fahatanorany.

Fandraisana mendrika.

Lanonana ara-panahy tsotsotra sy mendrika no nandraisan’ny mpiara-miasa rehetra SALFA an’i Dr Quanbeck sy ny zanaka aman-jafiny ny zoma 6 aprily 2018. Taranaka fahatelo misionera niasa teto Madagasikara izy, ary ny raibeny avy amin’ny reniny dia Pastora milevina any Manasoa-Fanjahira Bezaha (Toliara). Tsy nahatana ranomaso ny lehilahy raha nampahatsiahy izany, ary tsaroany ireo anaram-bosotra niantsoana azy hoe Dokotera Marivoranomaso, sy ny hoe Dokotera Lesola. Nahatsikaiky ny filazany fa tsy mitsahatra mitombo ny fahasolany izy misotroronono sy mihoatra ny 80 taona izao.

Tsisy tsy nahalala an’i Dr Quanbeck izay nisera teo anivon’ny FLM. Mahafehy hatrany ny teny malagasy izy na dia 40 taona aty aoriana aza.

Anterivava : Chef Andréas Richard

Razaka Oliva