Catégorie Doka


Ravalomanana Marc : Vonona amin’ny fampihavanam-pirenena


Tokony hisy fifanarahana mihitsy ataon’ireo kandida sy mpanao politika hiatrehana ny fifidianana amin’ny taona ho avy , hoy Ravalomanana Marc raha tsy izany, hoy izy, dia tsy hisy fifidianana eken’ny vahoaka eto Madagasikara. Tsy ho mora ny fiatrehana io fifidianana io raha tsy misy izay ary tokony hazava amin’ny rehetra ihany koa ny fitsipi-dalao. Ny hisian’ny fifidianana tena eken’ny vahoaka, dia ny fifanakalozan-kevitra. Continuer la lecture

Loholona: raikitra ny fifidianana


Amin’ity anio ity no hanantanterahana ny fifidianana loholona manerana  an’i Madagasikara. Loholona miisa 42 no hofidiana manerana ny Nosy,  izany hoe:  7 isaky ny faritany teo aloha. Biraom-pifidiana 1695 manerana ny Nosy no hanatanteran’ireo  mpifidy vaventy miisa  12 664  eny anivon’ny distrika  no hanatanterahana ny latsabato manomboka amin’ny 6 ora maraina anio. Continuer la lecture

Oniversité Ankatso: Lasa toeram-pitokonana


Nitokona androany ny mpiasan’ny sampandraharaha misahana ny tranon’ny mpianatra eny amin’ny onivesrsite an’ Antananrivo eny Ankatso II. Anton’izao fitokonana izao ny tsy mbola nahazon’izy ireo karama roa volana ankoatran’ity volana ity. Efa nifampiresaka tamin’ny tompon’andraikitra izy ireo saingy tsy afa-po tamin’ny valiteny azo. Nanakan-dalana sy nandoro kodiarana tamin’iny lalana nihazo ny tranon’ny mpianatra teny Ankatso II iny izy ireo ary nilaza ny tsy hiverina amin’ny asany raha tsy azo io karama takiana io. Nanampy ireo mpiasa nitokona ihany koa ny mpianatra sasany mipetraka eny Ankatso II noho ny tsy fisian’ny fikarakarana amin’ny tranon’izy ireo.

Oram-be teto an-dRenivohitra: olona telo no maty


Olona telo no voamarina hatramin’izao fa namoy ny ainy vokatry ny rotsak’orana omaly. Ny iray tototry ny tamboho teny Manakamabahiny izay tovovavy kely 14 taona, ny roa kosa nentin’ny rano teny Besarety. Alina ihany dia efa nalain’ny fianakaviany ny razan’ilay ramatoa hita teny Besarety. Androany kosa vao nalain’ny BMH ilay razan’ilay rangahy iray voalaza fa mpitsabo. Mbola nifanjevo tamin’ny fanalana rano tao anaty trano sy ny fivarotana hatrany ny mponina eny an-toerana tamin’ity anio ity hatramin’ny 10 ora maraina.