Mahoraka

Ala-saona : Hijanona sa hiaraka aminay ?


 « Hianareo ve hijanona sa hiaraka aminay » io no lohateny hampitondrain’izy ireo ny fampisehoana izay hatao, ny 07 novambra ho avy izao ao Antsahamanitra,entina  hanamarihan’izy ireo ny ala saona ihany ity fiakarana an-tsehatra ity, hoy Bekoto sy Dama tarika mahaleo. Ho hiraina mandritry ny fampisehoana rehetra izay hatao ny hira sy ireo sanganasan’ireo mpamorona, toy ny an’i Dadah, Raoul, Dama ary Bekoto.

Fomba iadiana amin’ny alahelo, hira, hoy Bekoto

Ankoatra ny   fampisehoana amin’ny7 Novambra  dia isan’ireo hahazo mialoha ny seho  ny ao Fianarantsoa ny faran’ny volana oktobra ho avy izao. Izay hatao ao amin’ny Kianjan’ ny fo masin’i Jesoa sy ao amin’ny hotely lehibe iray.  Isan’ny fiangavian’ireo mpankafy ny hiainan’izy  ireo ny revy toy ny eto Antananarivo izay efa nampiavaka ny tarika mahaleo tao anatin’izay 50 taona izay.

Tsy misy fampisehoana dika mitovy anefa ireo fampisehoana ireo fa samihafa avokoa, satria  na ny olona mijery na ny toe-tany dia samihafa  noho izany dia samihafa ny seho. Toy izay hatao ao Antsahamanitra ihany anefa dia misy ireo zanaky ny faritra manatalenta hiakatra an-tsehatra. Mizara roa  hatrany ny fampisehoana hisy ny fiarahan’i Bekoto sy Dama amin’ny adian’ny voalohany ary ny andiany faharoa kosa dia hiarahana amin’ireo ankizy manatalenta zanaky ny faritra.

Ny fitetezam-paritra izay hatao amin’ity taona ity dia fakàna bahana ho amin’ny faha 50 taona izay karakaraina amin’ny taona ho avy raha ny fanazavan’I Dama hatrany. Miandry ny antso avy amin’ny faritra hafa ihany koa ny tarika, ankoatra ireo efa voaresaka ireo

 Efa nazahoana fankatoavana tamin’ireo fianakavian’ireo namana nodimandry ny  ny “revy mahaleo“ rehetra mbola hisyaraka ny fanazavan’izy ireo.

Miora Razafindramanitra


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *