Socio-eco

AGENCE AMBININTSOA: Mpiasa an-trano 300 nahazo valisoa


Nampitoviana ny valisoa nomen’ny agence Ambinintsoa ireo mpanampy nahafeno herintaona tany amin’ny mpampiasa azy ho an’ny taona 2018. Hetsika fanaon’ny agence izy ity ho famporisihana ireo mpiasa nitady asa an-trano tao aminy mba haharitra amin’ny asa nomena azy. Isaky ny faran’ny taona no hizaran’ny agence Ambinintsoa ny valisoa ka tamin’ny 31 desambra 2018 lasa teo dia mpiasa 300 mahery no notolorana vary, menaka ary ny “pâte”. Ankoatra ireo fanomezana ireo, loka lehibe zarain’ny agence Ambinintsoa ho an’ny mpiasa mbola am-perin’asa ihany koa ny lelavola mitentina 100.000 Ariary. Amin’ny alalan’ny fisarihana ny anarana no hahazoana io loka io. Efa mampilaza dieny am-boalohany amin’ireo mitady asa an-trano ao aminy ny agence Ambinintsoa fa isaky ny faran’ny taona dia misy ny fizarana valisoa ho an’ireo mpanampy maharitra herintaona. Mila misoratra anarana mialoha ny fepetra takiana.

Lakile

“Miankina amin’ny fifampitondran’ny mpampiasa sy ny mpanampy ny tsiambaratelon’ny faharetan’ny mpiasa an-trano iray”, hoy ny tale jeneralin’ny agence Ambinintsoa, Asmine Ramahakotroka. Nambarany fa misy ny mpampiasa afaka miresaka amin’ny mpiasa momba ny olana dia miara-mitady vahaolana ny roa tonta avy eo. Ho an’ny mpanampy indray, raha tiana ny haharitra amin’ny asa an-trano dia mila mandefitra, tsy tia rairay, manetry tena… Manampy ireo olona mitady asa toy ny asa an-trano ny agence Ambinintsoa. “Tsy mandoa vola ireo mitady asa, miaro ny zon’ny mpiasa rehefa voakasi-tànana na voaompa na tsy nahazo karama na voaolana izahay. Ireo no mampiavaka ny agence Ambinintsoa”, hoy i Asmine Ramahakotroka. Fanamby ho an’ny agence Ambinintsoa ny fahafahan’ireo mpiasa an-trano mivoaka ao aminy hanana ny asany manokana aoriana any.

Lynda A.

Horonan-tsary


4 comments on “AGENCE AMBININTSOA: Mpiasa an-trano 300 nahazo valisoa

  1. Pingback: AGENCE AMBININTSOA: Mpiasa an-trano 300 nahazo valisoa - ewa.mg

  2. Zoely RAKOTONDRASOA

    Miarahaba tompoko ,
    Mba mety afaka mahazo ny contact-nareo ve azafady ? Fa saika hanontany mantsy hoe manome mpanampy hitaiza olona beantitra ve ianareo , dia mety ohatrinona ny karamany , sy ny conditions rehetra ! Misaotra tompoko

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *