Archives journalières 1 décembre 2021


DAMA SY FARAKELY : RAIKITRA NY FAMPIARAHAM-PEO


Malama  anie  ny  lalana ho  diavinao, Ka  sao  ianao ho potraka.Tsy   hitanao  tokoa  va re ireto  masoko   mitoloko ? Mitady  fitiavana  be  dia  be mba  hampitony  ny  foko
Nangarika  fotsiny  ianao, Ka  nanao  jadon –  tongotra !

Efa ela no nihiràn’i Dama izany  : » FARAKELY « izany, ary tafaraka hiaraka sy ho iray sehatra ry zareo amin’ny Zoma 03 desambra 2021 izao amin’ny Fito ora sy sasany ao amin’ny Plaza Ampefiloha, Antananarivo.
Araka ny fanazavan’ireo ao amin’ny ETO studio, mpikarakara ity fampisehoana ity, dia mikaroka ny hatrany ny tsara indrindra voarindra an-tsehatra no tena imasoan’izy ireo. Zava-dehibe tokoa ny DAMA sy FARAKELY mampiara-peo ka samy hanolotra ny tsara sy ny kanto indrindra izy ireo. Ny hoe Mampiara-peo dia zavatra tsara ampifandraisina, ary mifameno sy mifanampy eo an-tsehatra… Tantara maro loko sy fiainana an-kira no handrakotra ny fiarahana amin’io takarivan’ny Zoma io raha ny fanazavàna hatrany. Continuer la lecture