Archives journalières 21 avril 2021


Ndriana Ramamonjy sy “Bruno sy Malala” : Samy nanana ny maha-izy azy


–       Bruno dia miara-mihira lalandava amin’ny vadiny, Malala, midera an-kira. Mifameno ny feon’izy mivady: Malala manao feo mitaona misy fihetsempo, toa feo faharoa kanefa feo voalohany, Bruno kosa manao feo midoboka misy fahefana kanefa feno fitiavana. Niara-miasa tamin’ny mpanakanto ara-pilazantsara frantsay izy fahiny raha tany Bordeaux. Misy ireo tononkirany nosoratan’ny Frantsay iray ary fantatr’olona any ivelany hatrany USA.  Continuer la lecture


Vavaka Tompo ô ! Sitranonao ny Malagasy


Prière prononcée et rédigée par Bernard RASOLOFO,
Ingénieur industriel, Expert Judiciaire en Qualité,
Président de la CAREA (Compagnie des Arbitres Rapporteurs et Experts Agréés près les cours et tribunaux de Madagascar)

Tompo ô ! Mba jereo!

Izahay izay mitoreo,

Fa miatrika ady mafy

Ny vahoaka Malagasy.

 

Amin’ny Coronavirus,

Aretin-doza izay misy,

Mandripaka sy mahafaty,

Sitranonao ny Malagasy!

 

Mandohalika Aminao,

Miangavy ary mitalaho,

Sady miantsoantso mafy:

Sitranonao ny Malagasy!

 

Mangataka famindra-po,

Miaiky heloka tokoa,

Tsy nanao ny tsara fa ny ratsy,

Sitranonao ny Malagasy!

 

Ary mampanantena Anao,

Hiala amin’ny ratsy izay fanao,

Ary hifankatia tsy hifandrafy

Sy ho iray ny Malagasy!

 

Fantatray fa Ianao irery,

No hany manana ny hery,

Handresy ity  aretin-dratsy ,

Koa sitranonao ny Malagasy!

 

Ianao no Andriamanitray,

Aza ilaozanao izahay,

Na koa avela hangasihasy,

Fa sitranonao ny Malagasy!

 

Apetrakay Aminao,

Izao fitarainanay izao,

Tompo ô! Avia malaky,

Sitranonao ny Malagasy! Amena!

 

RASOLOFO Bernard