Archives journalières 29 mars 2021


29 Martsa…Tolom-panafahana…Fisaonam-pirenena : « Mitomany valala » manoloana tsangambato isika


Iza amin’ireo mpanao politika efa nifandimby teo Ambohijatovo na Moramanga sy teny Avaratr’Ambohitsaina, sy/na ireo nanao rodobe nampifanojoan’ny kisendrasendra( ?) no tena mandova ny fitiavan-tanindrazana nahafatifaty (foana , dsanatria) ny mpitolona tamin’ny taona 47 ? Iza no sahy hiteny fa tsy nohetsehan’ny tombony ho azy manokana ireo nijoro eo anatrehan’ny tsangambaton’ny tantara ? Iza no nandeha tsy novoizina te-hiseho am-pitiavana (tokoa) amin’ny fanompoana ny fireneny ? Tsy fanamarihana ny « faharesena » nanoloana ny « paika politika » nataon’ny mpanjanaka ve no anton’ny fanamarihana ny 29 martsa hatrizay hatrizay ? Satria misy, ary mbola hisy hatrany ny sarivongana mpanompo « hery hafa » tsy miady ho amin’ny tombotsoa itambaran’ny Gasy mihitsy. Continuer la lecture