Ho fiarahamonina tsy mifanambany, tsy mifanapepo fa mifanohana sy mifampivelatra. “Manana fikasana miezinezina ho an’ny firenentsika Andriamanitra […] Continuer la lecture
Archives journalières 13 janvier 2021
VOLAMENA 73,5 KG: Tsy nahazo fampandrenesana ny fadintseranana talohan’ny fahatongavan’ny fiaramanidina teny Ivato
Raha tokony tamin’ny 12 janoary 2021 tao Afrika Atsimo ny fitsarana ny “demande de liberté sous caution” ireo olona telo tratra nitondra ilay volamena 73,5 kilao dia nihemotra amin’ny 01 febroary 2021 indray izany raha ny vaovao farany voarain’ny teo anivon’ny fadintseranana malagasy nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny 12 Janoary 2021 teny Antaninarenina. Naninona no tsy nohenoina teny amin’ny PAC (Pôle anti-corruption) ny teo anivon’ny fandin-tseranana? Araka ny fanazavan’ny ny Directeur des Services Extérieurs RANDRIAMANANTENA Soja fa tsy maintsy ampandrenesina mialoha, 24 ora farafahantarany ny fadintseranana, alohan’ny fahatongavan’ny fiaramanidina na sambo eto Madagasikara ary misy tomponadraikitra misahana izany. Nambarany anefa fa tsy nisy izay fampandrenesana izay. “Zavatra nomanina matoa tsy nampandrenesina ny fadintseranana”, hoy izy. Nilaza ihany koa izy fa nisy fahatapahana ny caméra nandritra ny fivezivezena nanaovana ny dingana tokony atao ary “efa napetraka mialoha tao anaty fiaramanidina ilay volamena”.
Ankoatra izany dia nanazava ihany koa i Volasoa RAZAFITRIMO, Directeur des Affraires juridiques et de la Lutte contre la Fraude fa rehefa nanao ny fanadihadiana momba ity raharaha ity ny fandintserana malagasy dia betsaka ny fandikàn-dalàna hita. “ Rehefa natao ny fihainoana dia hita fa misy ny fanondranana antsokosoko entana voarara ary fandikan-dalàna faratampony izany raha amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny fadintseranana. Eo ihany koa ny fandikan-dalàna fifanakalozana”, hoy izy. Nambaran’ny tale jeneralin’ny fadintseranana, Ernest Zafivanona LAINKANA fa tsy marina ny fanambarana nataon’ny tompon’entana, Sky Gold Mali fa nanao fanambarana tao amin’ny fadintseranana eny amin’ny seranampiaramanidina Bamako Senou ao Mali izy. “ Ny declaration an’ny douane dia universel ka tsy mila atao traduction”. Hosoka noho izany ilay taratasy nampiasain’ireto mpanao trafika ary tsy volamena avy any Mali izy io.
Nirina R.
BASKET-BALL: Handeha mivantana ao amin’ny Startimes ny lalao nasionaly N1A
Dingana mankany amin’ny matihanina. Tontosa ny 12 janoary 2021 teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Startimes sy ny federasiona Malagasy ny basket-ball (FMBB). Continuer la lecture