Archives journalières 6 novembre 2019


FANANANTANY: Amanalina ireo tompon-tany lasibatry ny “boky rovitra”


Tsy azo hodian-tsy hita fa misy ny mpanararaotra amin’ity resaka boky rovitra ity. Fa maninona no tsy mbola misy vahaolana hatramin’izao? Efa tamin’ny fitondrana teo aloha no nokasaina ho ampidirina eny amin’ny Antenimiera roa tonta ny volavolan-dalàna hamahana ny olan’ny boky rovitra (BR). Araka ny anterivava natao tamin’ny tale jeneralin’ny fananantany sy ny fandrefesantany, Rasolofomampionona Hasimpirenena tamin’ny taona 2017 fa “soso-kevitra ho aroso amin’ny solombavambahoaka sy ny loholona eto Madagasikara ny famolavolana dingana vaovao hanarenana ny boky rovitra”. Nambarany tamin’izany fotoana izany fa raha lany soamantsara io tolo-dalàna io, hisy ny fidinana ifotony hataon’ireo vaomiera avy ao amin’ny Fitsarana sy ny sampandraharahan’ny fananantany sy ny fandrefesantany. Amin’izay fotoana izay no hanaovana ny fitsirihana ny tany ianjadian’ny boky rovitra. Rehefa vita izany, averina raketina indray ny mombamomba ny tany.

Ankehitriny, mbola eo am-pamolavolana ny volavolan-dalàna momba ny boky rovitra sy very indray ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny fanajariana ny tany, ny trano fonenana sy ny asa vaventy (MAHTP) sy ny ministeran’ny fitsarana. Araka ny fanadihadiana lalina natao dia amanalina ireo tompon-tany lasibatry ny boky rovitra eto Madagasikara. Ny faripiadidian’ny fananantany Antananarivo Atsimondrano no tena ahitana BR be indrindra raha ny eto an-drenivohitra. Ankoatra ny kadasitra na titra any am-pelantanan’ny tompon-tany dia voarakitra ao anatiny boky any sampandraharahan’ny fananantany ny mombamomba ny tany mba hanamarinana fa ianao tokoa ny tompon-tany. Potika, rovitra, simba anefa ny rejistra sasantsasany amin’ny boky iray, misy ihany koa ny ankamaroan’ny rejistra mihitsy no simba tsy misy azo raisina noho ny fahateran’ny boky sy ny fikirakirana azy matetika. Araka ny vaovao mari-pototra hatrany, ireo tany vita kadasitra no tena iharan’ny fahavoazana. Vokany, tsy afaka manao na inona na inona ny tompon-tany manoloana izany na io hivarotra tany na hanao famindrana satria ny boky hanoratana izany aza rovitra.

Marihina fa hisy ny varavarana misokatra karakarain’ny sampandraharahan’ny fananantany sy ny fandrefesantany momba ny boky rovitra sy “plan” rovitra. Ny zoma 29 novambra 2019 amin’ny 9 ora maraina eny amin’ny “guichet unique” amin’ny sampandraharahan’ny fandrefesantany Antananarivo Renivohitra no hanatanterahina izany.

Nirina R.