Archives journalières 15 octobre 2019


Lehiben’ny Faritra mpisolo toerana ao Boeny : Tena ilaintsika ny fakan-kevitra ho an’ny politikam-pirenena ho fampandrosoana


Atao eto an-dRenivohitry ny Faritra Boeny eto Mahajanga  nanomboka ny Alatsinainy 14 Oktobra 2019 hatramin’ny Zoma 18 Oktobra 2019 ho avy izao ny fakan-kevitra iray ho fametrahana ny politikam-pirenena ho amin’ny fampandrosoana. Raisin-dry zareo eo anivon’ny PAGE/GIZ an-tanana ny fikarakarana ity fakan-kevitra ity…, ary tohanan’ny vondrona eraopeana sy ny BMZ.

Tombony lehibe ho an‘ ny faritra Boeny ny hanaovana ny atrikasa momba ny fakan-kevitra amin’ny fametrahana ny politikam-pirenena ho amin’ny fampandrosoana ny foto-drafidrasa sy ny fampitaovana (politique nationale de développement des infrastructures et équipements), hoy ny lehiben’ny Faritra Boeny mpisolo toerana Bazezy Vonombe Clovela Roslan. Continuer la lecture