Archives journalières 16 mai 2019


Kandidà Serge Zafimahova, N°3, Antananarivo II: Ny isam-batan’olona no miresaka aminy


Nivalona ny herinandro voalohany amin’ny fampielezan-kevitra. Ny fihaonana sy ny dinika mivantana amin’ireo mponina, sy ny isam-batan’olona hatrany no tena iompanan’ny dian’ny kandidà Serge Zafimahova, any amin’ireo fokontany ao amin’ny boriboritanin’Antananarivo II.

Ahoana marina moa ity 320 tapitrisa ariary ity ? Ahoana sy ho amin’ny inona no tokony ho fipetraky ny fampiasana azy ? Mitovy ny feo, niala tany Androndrakely, nandalo an’i Mahazoarivo sy Ambohidraserika, nipaka tany Ampasanimalo, na koa niainga teny Manjakamiadana sy Andohamandry ka hatrany Ankatso sy Ambolokandrina. Ireo no fanontanian’olona, nitondràn’ny kandidà valiny mazava, manoaloana ny manjavozavo nisy hatrizay. Ny fototra hiaingana dia ny fitsinjarampahefana tena izy, hisian’ny Sefompokontany sy Delegen’ny boriboritany voafidim-bahoaka, mahalala ny hetaheta any ifotony, ka ny Komitin’ireo Sefompokontany no hamaritra sy hitantana ny fampiasana ny 320 tapitrisa.

Tonga nizara ny ahiahiny sy ny fanontaniana momba ny ho aviny ihany koa ny tanora, ary dia nanazava ny endrika vaovao hametrahana ny fanompoam-pirenena ny kandidà Serge Zafimahova : ho sokajiana roa, araka ny mari-pahaizan’ny tanora ; hisy ny fiofanana ara-miaramila, ary ho arahin’na fianarana asa ho an’ireo izay manohy antsitrapo, ka ny asa miteraka harena no hahazo tosika, toy ny fahazoana tany, fitaovana, na koa fampindamam-bola.

Mahaliana ny mponina, indrindra moa fa ny renim-pianakavana, ny momba ilay tahirimbola ifampitsinjovana, hajoron’ny mpiara-monina. Fanohanana tsotra, miompana amin’ny sehatra fihariana, toy ny fambolena, fiompiana, varotra, zaitra, hotely gasy, sns. Ny mpikambana no mametraka ny fitsipika, hofanina ny mpitantana, ary samy handrotsaka vola amin’ny fotoana hifanomezana ny mpiara-miombona. Maro ny vehivavy mananontena sahirana rahefa misedra olana ara-pahasalamana na momba ny fianaran-janany, ka, amin’izay, dia ho azony atao ny mindram-bola ao amin’ny tahiry iombonana.

Any an’elakelantrano, any amin’ny tontolo iainan’ny mponina mandava-taona, no mafana ny resaky ry zareo sy ny kanddà Serge Zafimahova : fandriampahalemana, varotra, fambolena, fianarana, ary koa ady amin’ny kolikoly, aretina mikiky ny fiaraha-monina, sy hisatra ho an’ny fampandrosoana. “Mila depiote hitanay tena miasa izahay, fa tsy rehefa fotoam-pifidianana vao tonga handambolambo anay”, hoy ny mponina.

Nanangona: Nirina R.