Archives journalières 1 août 2018


RAMAMPY Zénaïde « Sazio ny olona ambony mambotry ny firenena »


« Mizara roa ny hevitry mpanao politika ankehitriny. Eo ny miteny fa atao ny fifidianana, etsy ankilany ajanony aloha fa aleo manao fanorenana ifotony. Ny lalana efa mametraka fa tsy maintsy aroso ny fifidianna ary efa misokatra androany ny fametrahana antontataratsy filatsahan-kofodina ho filoham-pirenena », hoy ny filohan’ny « Reseaux des Femmes Africaines Ministres et Parlemataires » ( REFAMP ), Marie Zénaïde LECHAT RAMAMPY. Ny fifidianana ihany no vahaolana amin’izao savorovoro izao, hoy izy. Anisan’ny foton-kevitr’ireo manohitra ny hanaovana fifidianana ny tsy fahandriam-pahalemana. Tsy hijanona mihitsy io tsy fahandriampahelamana io raha mbola misy ny tsy maty manota eto amin’ny firenena, hoy hatrany izy. « Sazio avokoa ireo olona ambony sy ireo mpiray tsikombakomba aminy izay mambotry ny firenena. Ao anatin’izany ireo mpanao asa fanondranana antsokosoko ireo harena sarobidy isan-karazany. Raha tanteraka izany matahotra ny anao asa ratsy ny mpanao izany ka hisy amin’izay ny fahandriam-pahalemana ». Raha samy mandray ny andraikiny ny tsirairay, handroso ity firenena ity saingy tsy izay no zava-misy fa ny fitiavan-tena no manjaka hatramin’izao. Miantso ireo vehivavy maro an’isa manerana an’i Madagasikara noho izany izy hahay hisafidy ny filoha hitondra manaraka eo satria izy ireo no mahalala ny mahasoa ny fianakaviany.
Azo atao tsara ny mamongotra hatrany amin’ny fakany ny fahantrana eto amintsika raha toa ka mahay mihevitra ny vahoaka ny mpitondra fa tsy ny tombontsoan’ny tenany ihany no tadiaviny. Mahatsara ny firenena ny fisian’ny vehivavy maromaro eny anivon’ny andrim-panjakana. Raha ny anjara-toerany ao an-tokantrano, izy no mikajy ny vola rehetra ao, mahafantatra ny an-tsipiriany ny fiainan’ny ankohonany, miahy ny fahasalaman’ny zanany, ny fianarany,… Efa manavanana azy izany ka mendrika omena andraikitra eo amin’ny firenena izy ireo, hoy izy.

Nirina R.

Horonan-tsary