Archives journalières 23 mars 2018


ONIVERSITE ACEEM: “Izay mahay ihany no afaka”


Mpianatry ny oniversite ACEEM Manakambahiny miisa 320 navoaka tamin’ny fomba ofisialy. Nisalotra ny anarana “Miatrika” ireto andiany ireto.

Anterivava : William RATREMA

Araka ny fanazavan’ny tale mpanorina ny vondrom-panabeazana ACEEM, William Ratrema nandritra ny lanonana famoahana azy ireo ny zoma 23 martsa 2018, teny amin’ny CCI Ivato, fa manahirana ny fiainana ka entina hitaizana ireto mpianatra ireto ho vonona hiatrika ny fahasarotan’ny fiainana no antony nisafidianana ny anaran’ny andiany. Andiany faha-8 ireo mpianatra nahazo ny mari-pahaizana Licence ary faha-4 kosa ireo mpianatra nahazo ny diplaoma Master. Nohamafisin’i William Ratrema fa miezaka mamolavola tanora tena manam-pahalalana ny oniversite. Matoa omena mari-pahaizana dia tena ny fahaizany no antony hanomezana azy. Tsy misy izany mari-pahaizana omena maimaim-poana izany fa izay mahay no afaka”, hoy i William Ratrema.

Fiarahamiasa any ivelany

Efa be dia be ireo mpianatry ny oniversite ACEEM no nanohy ny fianarany any ivelany. Miara-miasa amin’ny oniversite IESEG any Lille ny ACEEM. “Mampalahelo anefa indraindray fa tsy miverina eto an-tanindrazana intsony ireo mpianatra. Sekoly manan-danja ny IESEG ka hifandrombahan’ny orinasa any ivelany ny mpianatra mivoaka ao. Raha ny tokony ho izy anefa dia tokony hiverina eto an-toerana hanasoa ny firenena ireo mpianatra”, hoy ny filoha mpanorina ny vondrom-panabeazana ACEEM. Ankoatra izany, miara-miasa amin’ny orinasa avy eto an-toerana ihany koa ny oniversite ho fanamorana ny fampidirana ireo mpianatra amin’ny sehatry ny asa.

Nirina R.

Horonan-tsary